FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwex lahatsoratra 24
  • Mafy Be ny Fiainana any Venezoelà Nefa Manompo An’i Jehovah Foana Ry Zareo

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mafy Be ny Fiainana any Venezoelà Nefa Manompo An’i Jehovah Foana Ry Zareo
  • Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Inona ny vokany rehefa nazoto nanompo izy ireo?
  • Sady manam-pinoana no tia ny mpiara-manompo
  • Afaka manampy daholo ny olona rehetra
  • Ny Masony no Anompoan’i Jairo An’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Nahay Nifidy Asa Aho
    Mifohaza!—2007
  • Tena Nahavariana Azy ny Vokany
    Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Velombelomy amin’ny ranon’ny fahamarinana ireo havanao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1990
Hijery Hafa
Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwex lahatsoratra 24
Mpivady manao aro vava, manatitra sakafo any amin’ny anabavy be taona.

Mafy Be ny Fiainana any Venezoelà Nefa Manompo An’i Jehovah Foana Ry Zareo

Nitotongana be mihitsy ny toe-karena any Venezoelà tato ho ato, dia betsaka ny olana eo amin’ny fiaraha-monina. Mbola tsy nisy hoatr’izany mihitsy hatramin’izay. Hoy ny Vavolombelona iray atao hoe Edgar: “Nidina ambany be ny farim-piainana nefa tao anatin’ny taona vitsivitsy fotsiny. Hoatran’ireny nifindra tany an-tany hafa ireny izahay nefa mbola atỳ ihany!”

Inona no nanampy an’i Edgar? Hoy izy: “Mieritreritra an’ireny misionera mifindra any amin’ny tany mahantra ireny izahay sy Carmen vadiko. Mianatra mianina amin’izay misy eo fotsiny mantsy ireny misionera ireny. Indraindray aza na ny tena ilaina tsy misy. Lasa nanatsotra fiainana koa àry izahay dia manandrana zava-baovao, ohatra hoe mamboly zavatra hataonay sakafo.”

Carmen sy Edgar, faly erỳ mampiseho an’ilay poavra maniry eo amin’ny zaridainany.

Carmen sy Edgar

Misy zavatra hafa koa nataon’i Edgar sy Carmen. Miezaka mampahery ny mpiray finoana aminy izy ireo, ohatra hoe izay kivy. (1 Tesalonianina 5:11) Hoy i Edgar: “Mampahery an-dry zareo izahay, kanefa ampirisihinay koa ry zareo mba hanampy an’izay mila fanampiana, dia amin’izay ry zareo falifaly.”​—Asan’ny Apostoly 20:35.

Inona ny vokany rehefa nazoto nanompo izy ireo?

Vao nanomboka ny valanaretina COVID-19 dia nitory tamin’ny havany i Argenis. Nanaiky hianatra Baiboly tamin’ny telefaonina àry ny sasany tamin’ny havany.

Argenis, mipetraka eo amin’ny latabatra miaraka amin’ny telefaonina, Baiboly, ary ilay boky hoe “Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!”

Argenis

Tsy nanana Internet ny havan’i Argenis nefa mba tiany hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra 2020 ry zareo. Nisy Vavolombelona nipetraka tany akaikin’ireo havan’i Argenis ireo àry nanome an-dry zareo an’ilay fandaharana noraisim-peo. Nindrana efijery lehibe anankiray sy fanamafisam-peo maromaro koa avy eo ireo havan’i Argenis ireo. Niantso kely an-dry zareo tamin’ny telefaonina i Argenis, talohan’ilay fandaharana, mba hivavaka niaraka tamin-dry zareo. Noho izany ezaka nataon’i Argenis izany, dia 4 tamin’ny havany no afaka nanatrika an’ilay fandaharana, ary mbola niampy olon-kafa 15 aza.

Sady manam-pinoana no tia ny mpiara-manompo

I Jairo sy Johana mivady ihany no mba manana aotomobilina ao amin’ny fiangonan-dry zareo, dia ampiasainy hanampiana olon-kafa ilay izy. Ny olana anefa sarotra be vao mahazo lasantsy any Venezoelà. Hoy i Jairo: “Adiny firy izahay milahatra lasantsy fotsiny! Indraindray aza ny alina tontolo mihitsy.”

Johana sy Jairo ao anaty aotomobiliny.

Johana sy Jairo

Tsapan’i Jairo hoe tena misy vokany ilay izy miezaka manampy ny mpiara-manompo. Hoy izy: “Rehefa manatitra an’izay zavatra ilain’ny mpiara-manompo izahay, dia faly erỳ mahita an-dry zareo misaotsaotra an’i Jehovah. Tsy hoe izahay no isaorany, fa i Jehovah satria izy no manome an’izay ilain’ny vahoakany rehetra.”​—2 Korintianina 9:11, 14.

Afaka manampy daholo ny olona rehetra

Mbola vao 28 taona ny anabavy atao hoe Norianni, ka nieritreritra hoe kely loatra izy dia tsy afaka manampy olon-kafa. Namaky ny 1 Timoty 4:12 anefa izy avy eo, ilay hoe: “Aza avela hisy hanao tsinontsinona anao satria hoe tanora ianao. Miezaha kosa ho modely ho an’ny olona tsy mivadika.”

Norianni, manampy anabavy be taona hitory amin’ny taratasy.

Norianni

Io andinin-teny io no nahatonga saina an’i Norianni! Niezaka nanampy ny be taona tao amin’ny fiangonany àry izy mba hahay hanao fitoriana an-taratasy ry zareo. Nasainy hiaraka hampianatra Baiboly taminy koa aza ry zareo. Niantso an-dry zareo tamin’ny telefaonina koa izy na nandefa SMS mba hampaherezana azy ireo. Hoy i Norianni: “Nasehon’i Jehovah tamiko hoe afaka manao zavatra be dia be mihitsy aho mba hanampiana olon-kafa.”

Miatrika olana be dia be ny rahalahy sy anabavintsika any Venezoelà amin’izao fotoan-tsarotra izao. Mbola mazoto manompo foana anefa ry zareo, sady ‘tena mifanampy sy mifankahery.’​—Kolosianina 4:11; 2 Timoty 4:2.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara