FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwex lahatsoratra 25
  • Tsy mba Tia Tena na dia Efa Marary Aza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tsy mba Tia Tena na dia Efa Marary Aza
  • Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
  • Mitovitovy Aminy
  • Niezaka Nanao Safidy Mampiseho Fahendrena Aho
    Mifohaza!—2000
  • Notahin’i Jehovah Izahay Satria Tsy Nivadika Mihitsy
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2017
  • Miahy ny Marenina Andriamanitra
    Foto-kevitra Hafa
  • Asehoy fa Tianao Ireo Rahalahy sy Anabavy Marenina!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2009
Hijery Hafa
Fitantarana Momba ny Vavolombelon’i Jehovah
ijwex lahatsoratra 25
Maria Lúcia, manoratra taratasy.

Tsy mba Tia Tena na dia Efa Marary Aza

Voan’ilay karazana aretina atao hoe Aretin’i Usher i Maria Lúcia, any Brezila. Aretina manaranaka ilay izy dia lasa tsy maheno tsara na marenina izay tratrany, dia mihajamba koa. Efa hatramin’izy vao teraka àry i Maria Lúcia no marenina, dia nianatra tenin’ny tanana izy tamin’ny mbola kely. Lasa nihajamba koa izy tamin’izy 30 taona teo ho eo. Tsy mba mitokantokana mihitsy anefa i Maria Lúcia na izany aza. Mbola sambatra be foana izy sady misy dikany ny fiainany hatramin’izao, na dia efa 70 taona mahery aza.

Tamin’ny 1977 i Maria Lúcia no nihaona voalohany tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah, talohan’ny nahajamba azy. Hoy izy: “Nihaona tamin’izay mpiara-mianatra aminay taloha izay aho. Adriano no anarany. Vao lasa Vavolombelon’i Jehovah izy tamin’izany. Noresahiny tamiko hoe mampanantena Andriamanitra fa hataony paradisa ny tany amin’ny hoavy, dia ho salama tsara daholo ny olona mipetraka eo. Nahagaga be ahy ilay zavatra noteneniny dia nanaiky hianatra Baiboly aho. Nivory tany amin’ny fiangonan’i Rio de Janeiro aho tsy ela taorian’izay. Nadika tamin’ny tenin’ny tanana ny fivoriana sasany tao tamin’izany. Nandroso tsara aho avy eo noho ny fanampian’i Jehovah dia lasa natao batisa tamin’ny Jolay 1978.”

Nifindra tany amin’ny fiangonana tsy nisy mpitory nahay tenin’ny tanana mihitsy i Maria Lúcia, taoriana kelin’izay. Olana kely ilay izy tamin’ny voalohany satria tsy nisy azony ny zavatra noresahina tany am-pivoriana. Nisy anabavy roa nanampy azy avy eo. Niara-nipetraka taminy ry zareo tao am-pivoriana, dia nosoratan-dry zareo tamin’ny taratasy kely ny zavatra noresahina tany. Hoy i Maria Lúcia: “Averiko vakina foana ilay naoty rehefa any an-trano amin’izay azoko. Nianatra tenin’ny tanana ireo rahavavy roa ireo tatỳ aoriana, dia ry zareo no lasa mpandika teny tao.”

Nihajamba i Maria Lúcia rehefa nandeha ny fotoana, dia lasa tsy hitany intsony izay zavatra hadika taminy amin’ny tenin’ny tanana. Lasa ny tenin’ny tanana ho an’ny jamba sady marenina indray àry no ampiasainy rehefa mifampiresaka. Hoatran’ny ahoana izany? Izao no nanazavany azy: “Apetrako eo amin’ny tanan’ilay mpandika teny ny tanako, dia fantatro hoe inona ny zavatra lazainy amin’ny tenin’ny tanana.”

Faly be i Maria Lúcia fa miezaka be ireo mpandika teniny ireo manampy azy. Hoy izy: “Tena fanomezana sarobidy be avy amin’i Jehovah mihitsy ry zareo. Mba mandray soa amin’ny fivorian’ny fiangonana sy ny fivoriamben’ny faritra ary ny fivoriamben’ny vondrom-paritra mantsy aho, noho ny fanampian-dry zareo.”

Mpandika teny, mampiasa tenin’ny tanana ho an’ny jamba sady marenina, mba hanazavana fandaharana ara-panahy amin’i Maria Lúcia.

Mbola mazoto manompo foana i Maria Lúcia. Mampiasa ny tenin’ny tanana ho an’ny jamba sady marenina izy rehefa mitory amin’ny marenina, dia faly sady variana erỳ ny marenina mahita azy miezaka be manampy azy ireo hahalala ny vaovao tsara. Nandritra ny COVID-19 indray i Maria Lúcia nanoratra taratasy be dia be ho an’ny marenina, ka i José Antônio, zandriny lahy, sady jamba no marenina, no nanampy azy.a

Maria Lúcia manoratra taratasy, dia José Antônio manao tenin’ny tanana eo amin’ny tanan’i Maria ankavia.

Ahoana no nataony rehefa nanoratra taratasy? Hoy izy: “Mampiasa plastika fisaka miendrika L aho, amin’izay mahitsy tsara ny zavatra soratako sady mba miendrika fehintsoratra. I José Antônio indray tena manana fitadidiana tsara be mihitsy. Manome hevitra sy andinin-teny horesahina amin’ilay olona izy, dia soratako ao amin’ireo taratasy ireo izany. Ezahiko atao azon’ny marenina ny fomba fanoratro. Tsy ny marenina rehetra mantsy no zatra mamaky soratra.”

Efa jamba tanteraka izao i Maria Lúcia, nefa mbola miasa mafy foana izy. Hoy i Karoline, anisan’ny mpandika teniny: “I Maria Lúcia no manao ny raharaha rehetra ao an-tranony. Vitany madio sy milamina foana ny tranony. Tia mahandro sakafo koa izy dia tia mizara an’izany amin’ny namany.”

Maria Lúcia manisy sakafo nandrahoiny ao anaty vilia, ho an’ny namany.

Hoy koa i Jefferson, anti-panahy ao amin’ny fiangonan’i Maria Lúcia: “Tena tia be an’i Jehovah i Maria Lúcia, sady tia olona. Manao zavatra ho an’ny hafa foana izy, fa tsy mba tia tena.”​—Filipianina 2:4.

a Lasa Vavolombelon’i Jehovah taorianan’i Maria Lúcia i José Antônio, ary vita batisa tamin’ny 2003. Vao teraka koa izy dia marenina, hoatran’i Maria Lúcia, fa efa tatỳ aoriana vao lasa jamba.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara