FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w26 Jona p. 31
  • Fanontanian’ny Mpamaky

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fanontanian’ny Mpamaky
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
  • Mitovitovy Aminy
  • “Sary An’ohatra” Misy Dikany ho Antsika
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2019
  • Fanontanian’ny mpamaky
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1985
  • “Sary An’ohatra” Mahasoa Antsika
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2006
  • Fanekena mifamatotra amin’ny fikasana mandrakizain’Andriamanitra
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1989
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2026
w26 Jona p. 31

FANONTANIAN’NY MPAMAKY

Inona ireo fifanekena roa tian’ny apostoly Paoly horesahina ao amin’ny Galatianina 4:24?

Rehefa avy niresaka ny fifandraisan’i Abrahama tamin’i Saraha sy Hagara ny apostoly Paoly, dia nilaza hoe: “Misy heviny an’ohatra izany, satria izy roa vavy dia fifanekena roa.” (Gal. 4:22-24) Nieritreritra isika taloha hoe ny fifaneken’ny Lalàna sy ny fifanekena vaovao ireo fifanekena roa ireo. Rehefa naverina nofakafakaina anefa ireo andinin-teny ireo, dia hita hoe mila ahitsy ny fahazoantsika azy. Toa tsy ilay fifanekena vaovao no tian’i Paoly horesahina, fa ilay fifanekena tamin’i Abrahama. Nahoana? Andao isika handinika antony vitsivitsy.a

Nampifandraisin’i Paoly tamin’ny Tendrombohitra Sinay i Hagara, ilay mpanompovavy. (Gal. 4:25) I Hagara dia nifanitsy tamin’ny fifaneken’ny Lalàna, izay nomena teo amin’ny Tendrombohitra Sinay tamin’ny 1513 T.K. (Eks. 19:5, 6) Tsy nisy olombelona tsy lavorary nahavita nankatò tanteraka an’io Lalàna io. Nampahatsiahy ny Jiosy àry izy io hoe andevon’ny ota ry zareo. Afaka nanampy ny firenen’Israely hahafantatra ny Mesia io fifanekena io. Izy ihany mantsy no olombelona nahavita nankatò tanteraka ny Lalàna. Rehefa nanao sorona ny ainy lavorary ny Mesia, dia lasa azo afahana amin’ny ota sy ny fahafatesana ny olombelona tsy lavorary. (Gal. 3:19, 24, 25) Tsy nilaina intsony ny Lalàna rehefa notanterahin’i Jesosy ny fikasan’Andriamanitra mifandray amin’izy io.​—Rom. 10:4.

Nasehon’i Paoly hoe tsy nitovy tamin’i Hagara i Saraha. “Vehivavy afaka” mantsy i Saraha ary niteraka “noho ny fampanantenana.” (Gal. 4:23) Ilay fifanekena tamin’i Abrahama io fampanantenana io. (Gal. 3:29; 4:28, 30) Nofintinina hoatr’izao izy io ao amin’ny Genesisy 22:18: “Hahazo fitahiana amin’ny alalan’ny taranakao [taranak’i Abrahama] ny firenena rehetra eny ambonin’ny tany, satria nihaino ny teniko ianao.”

Rehefa nanao an’ilay fifanekena tamin’i Abrahama i Jehovah dia niampy ny zavatra fantatsika momba an’ilay fampanantenana nomena tany Edena. (Gen. 3:15) Lasa fantatsika hoe taranak’i Abrahama ilay ‘taranaka.’ Nanazava i Paoly fa i Jesosy Kristy no voalohany amin’io ‘taranaka’ io. Anisan’io taranaka io koa anefa izay “an’i Kristy”, izany hoe ireo voahosotra 144 000. Hitondra miaraka amin’i Jesosy ao amin’ilay Fanjakana ry zareo. (Gal. 3:16, 29; Apok. 14:1-3) Noho io fampanantenana nataon’Andriamanitra tamin’i Abrahama io, dia handray fitahiana be dia be izay manaiky sy mankatò an’i Jesosy.

Fa maninona i Paoly no niresaka “an’ohatra” momba an’i Hagara sy Saraha? Nilaza izy fa raha mbola nifikitra tamin’ny Lalàna ny Jiosy tamin’ny androny, dia ho andevo foana hoatran’i Hagara. Raha nanaiky an’i Jesosy Kristy, ilay voalohany amin’ny “taranak’i” Abrahama, anefa ry zareo dia ho olona afaka hoatran’i Saraha. Ho afaka amin’ny ota sy ny fahafatesana ry zareo. (Jaona 8:32-34) Raha tsy nanaiky an’i Jesosy kosa ry zareo, dia ho hita hoe tsy azon-dry zareo ny tena tanjon’ny fifaneken’ny Lalàna. Natao hitarika an-dry zareo ho amin’i Kristy mantsy izy io.

Tsy Jiosy ny ankamaroan’ny Galatianina nanoratan’i Paoly. Noho izany, dia tsy teo ambanin’ny Lalàna mihitsy ry zareo. Nanizingizina anefa ireo nifikitra tamin’ny Fivavahana Jiosy hoe tokony hankatò ny Lalàna ny Kristianina hafa firenena, ka tokony hoforana. Nahoana moa ireo olona ireo no ‘handevozin’ny’ Lalàna indray, nefa ry zareo aza efa “olona afaka” satria efa nanaiky an’i Kristy? Nilaza i Paoly hoe hadalana izany.​—Gal. 5:1, 10-14.

a Ity fanazavana ity, dia manitsy an’ilay fanazavana tao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Martsa 2006, p. 10-12.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara