MBA ANDRAMO IZAO
Miezaha Hahazo An’ireo Sarin-teny ao Amin’ny Baiboly
Misy sarin-teny an-jatony ao amin’ny Baiboly. Be dia be anefa ny mpamaky Baiboly tsy mahazo ny dikan’izy ireny. (Mat. 13:13) Inona àry no hanampy anao hahazo ny tena dikan’ireo sarin-teny ao amin’ny Baiboly? Araho ireto dingana ireto:
Fantaro hoe inona ilay zavatra resahina, dia oharina amin’ny inona ilay izy. Oharina amin’ny fahatongavan’ny mpangalatra ny fahatongavan’i Jesosy ao amin’ny Apokalypsy 3:3.
Diniho hoe inona no itovizan’ilay zavatra resahina sy ilay ohatra. Jereo hoe nahoana no mety tsara ilay fampitahana ary inona avy ny lafiny mampitovy azy ireo.
Ataovy azo antoka hoe marina ny fahazoanao azy. Mety ho diso fandray an’ilay fampitahana isika. Raha ilay tenin’i Jesosy teo izao no raisina, dia tsy hoe tonga mba hangalatra akory izy. Rehefa jerena kosa ny teny manodidina, dia ho avy hoatran’ny mpangalatra izy satria ho tampoka ny fahatongavany.