OLONA AO AMIN’NY BAIBOLY
Miezaha ho Be Herim-po sy Tsy Hivadika Hoatran’i Benaia
Miaramila nahery fo tamin’ny andron’i Davida sy Solomona i Benaia. Zanaka mpisorona izy, ary tsy tokony hampiasa fitaovam-piadiana raha ny marina. Nandray anjara tamin’ny adin’i Jehovah anefa izy, ary niavaka ny herim-pony. Namono liona tao anaty lavaka fanangonan-drano, ohatra, izy sady nahafaty miaramila iray goavambe. Tena natoky an’i Benaia i Davida, dia nataony lehiben’ny mpiambina azy izy.—2 Sam. 23:20-23.
Tsy nivadika tamin’i Davida i Benaia rehefa nikomy i Absaloma sy Adonia. (2 Sam. 8:18; 15:18; 1 Mpanj. 1:8) Na dia rehefa antitra aza i Davida, dia mbola tsy nivadika taminy ihany i Benaia, ka nanohana an’ilay fanapahan-kevitr’i Davida hoe i Solomona no atao mpanjaka. (1 Mpanj. 1:32-40) Tena tsy nivadika tamin’i Jehovah sy ny voahosony i Benaia, na dia nivadika aza ny hafa.
Mila herim-po koa isika mba hiadiana amin’i Satana, ilay fahavalontsika tena mahery, sy ny mpanohana azy. Tokony ho tapa-kevitra hanaraka ny fitsipik’i Jehovah foana koa isika. (Efes. 6:11; 1 Pet. 5:8, 9) Na dia miala amin’i Jehovah aza ny olon-kafa, dia tsy hivadika aminy mihitsy isika satria matoky hoe hamaly soa antsika izy.—2 Sam. 22:26.