Miezaha ho “Tafaray Foana”
NAMPIRISIHIN’NY apostoly Paoly ny Kristianina tany Efesosy mba “hifandefitra noho ny fitiavana, ary hiezaka mafy ho tafaray foana sady hihavana, satria efa nampiraisin’ny fanahy masina.”—Efes. 4:2, 3.
“Tafaray” na miray saina isika “satria efa nampiraisin’ny fanahy masina.” Ny fiasan’ny fanahy masina no mahatonga an’izany. Nilaza anefa i Paoly fa mila miezaka mafy isika mba ho tafaray foana. Ny Kristianina tsirairay mihitsy no mila manao ny anjarany.
Eritrereto hoe nisy olona nanome fiara vaovao anao. Dia iza no tokony hikojakoja azy io? Mazava ho azy hoe ianao! Tsy ho afaka hanome tsiny an’ilay olona nanome azy io mihitsy ianao, raha simba ilay fiara satria tsy nokojakojainao.
Andriamanitra koa no mahatonga ny Kristianina hiray saina. Fanomezana avy aminy izy io, ka isika tsirairay no tokony hikojakoja azy. Raha manana olana amin’ny rahalahy na anabavy iray àry ianao, dia saintsaino hoe: ‘Manao ny anjarako ve aho mba handaminana an’ilay olana, amin’izay ho tafaray foana ny fiangonana?’
MIEZAHA MAFY MBA HIRAY SAINA FOANA
Mila miezaka mafy isika indraindray mba ho tafaray foana, araka ny tenin’i Paoly. Izany mihitsy no tokony hataontsika rehefa misy rahalahy na anabavy nampahatezitra antsika. Midika ve izany hoe tsy maintsy manatona an’ilay olona foana isika mba hiresaka an’ilay olana? Tsy voatery. Saintsaino hoe: ‘Raha manatona an’ilay olona aho, hampisy firaisan-tsaina ve izany sa vao mainka hampitatra an’ilay olana?’ Fahendrena indraindray ny hoe tsy miraharaha an’ilay izy fotsiny na hoe mamela heloka.—Ohab. 19:11; Mar. 11:25.
Saintsaino hoe: ‘Raha manatona an’ilay olona aho, hampisy firaisan-tsaina ve izany sa vao mainka hampitatra an’ilay olana?’
Andao àry isika hiezaka foana mba “hifandefitra noho ny fitiavana” araka ny nosoratan’i Paoly. (Efes. 4:2) Inona no dikan’izany? Izao no nolazain’ny boky iray: “Hanaiky hoe izay no maha izy an’ilay olona.” Ekentsika hoe mpanota hoatr’antsika ihany ny mpiara-manompo amintsika. Marina aloha fa miezaka mitafy “ny toetra vaovao” ry zareo. (Efes. 4:23, 24) Tsy misy mahavita an’izany amin’ny fomba tonga lafatra anefa isika. (Rom. 3:23) Raha ekentsika izany, dia ho mora kokoa amintsika ny hifandefitra sy hamela heloka, ka ho “tafaray foana” ny fiangonana.
“Ho tafaray foana” sy “hihavana” amin’ny hafa isika, raha miezaka mamela azy sy manadino an’izay tsy nety nataony tamintsika. Ilay teny grika nadika hoe ‘zavatra nampiray’ ao amin’ny Efesianina 4:3, dia nadika hoe “hozatra” ao amin’ny Kolosianina 2:19. Ny hozatra dia karazana nofo matanjaka mitsiratsiraka mampifandray taolana roa. Hoatr’izany koa ny fihavanana sy ny fitiavana. Manampy antsika hifandray akaiky amin’ny mpiara-manompo amintsika ireo toetra ireo, na dia tsy tiantsika aza ny ataony indraindray.
Raha misy mpiara-manompo nampahatezitra anao, dia miezaha hangoraka azy fa aza mifantoka amin’ny fahadisoany. (Kol. 3:12) Tsy lavorary daholo mantsy isika, ka na ianao koa aza mety ho efa nampahatezitra olon-kafa. Tena ilaina ny mitadidy an’izany satria izay no hanampy antsika hanao ny anjarantsika mba “ho tafaray foana” ny fiangonana.