FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w25 Novambra p. 30
  • Fampaherezana ho An’ireo Vehivavy Misy Mampijaly

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampaherezana ho An’ireo Vehivavy Misy Mampijaly
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
  • Mitovitovy Aminy
  • Ny Fiarovana ny Vehivavy: Inona no Lazain’ny Baiboly?
    Foto-kevitra Hafa
  • Ampiasao eny Amin’ny Fanompoana ny jw.org: “Ataovy Namanao i Jehovah
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • “Vehivavy izay miasa mafy ao amin’ny Tompo”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Mba Andramo Izao
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2023
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2025
w25 Novambra p. 30
Vehivavy iray omen’ny anabavy iray an’ilay lahatsoratra hoe “Ny Fiarovana ny Vehivavy: Inona no Lazain’ny Baiboly?”

Fampaherezana ho An’ireo Vehivavy Misy Mampijaly

“AN-TAPITRISANY ny vehivavy sy ny ankizivavikely misy mampijaly maneran-tany. Anisan’izy ireny ve ianao? Ho hitanao ato hoe nahoana no zava-dehibe amin’Andriamanitra ny hoe voaro ianao. Ho hitanao ato koa hoe havelany hitohy foana ve ny fampijaliana vehivavy.”

Io no fanombohan’ilay lahatsoratra ao amin’ny jw.org hoe “Ny Fiarovana ny Vehivavy: Inona no Lazain’ny Baiboly?” Misy rohy any amin’ny faran’ilay lahatsoratra, raha te haka azy io amin’ny endrika PDF ianao. Azo atao pirinty izany, ary azo avalona mba ho lasa efatra pejy hoatran’ny taratasy mivalona. Hoy ny anabavy iray atao hoe Stacy, any Etazonia: “Nanao pirinty maromaro tamin’izy io aho, dia avy eo izahay sy ny rahavavy iray nankao amin’izay toerana iray ao amin’ny faritaninay izay. Toerana ikarakarana an’ireo vehivavy misy mampijaly izy io.”

Nangataka maromaro tamin’izy io ny mpiasa iray mba hozaraina amin’ny olona nipetraka tao. Nanaterana 40 fanampiny sy karatra jw 30 àry ry zareo. Rehefa niverina tany indray ny mpitory, dia nasain’ilay tompon’andraikitra tao naseho an’ireo olona nipetraka tao hoe hoatran’ny ahoana ilay mianatra Baiboly.

Nahita vokatra hoatr’izany koa i Stacy sy ny anabavy roa tany an-toeran-kafa. Nahapetraka dimy tamin’io taratasy mivalona io ry zareo, ary mbola nangataka fanampiny ny olona tao. Izao no notenenin’ilay mpiasa iray tao: “Tena ilainay ity, fa mahasoa an’ireo vehivavy mipetraka ato.” Rehefa niverina tany indray ry zareo, dia nisy vehivavy maromaro te hahita hoe hoatran’ny ahoana ny fianarana Baiboly. Nilaza ny roa tamin-dry zareo hoe te hivory any amin’ny Efitrano Fanjakana ny faran’ny herinandro.

Hoy i Stacy: “Gaga be izahay fa tena tian’ny olona io lahatsoratra tsara be io. Mety be mba hitoriana amin’ny karazan’olona hoatr’ireny io taratasy mivalona io rehefa atao pirinty sy avalona. Mba afaka maheno ny hafatra momba ilay Fanjakana ry zareo amin’izay. Tena nanohina ny fonay ilay ry zareo nandray tsara an’ilay izy. Tsy andrinay ny hahita hoe ahoana no hitahian’i Jehovah ny ezaka ataontsika mba hitoriana amin’ireny vehivavy ireny.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara