Tsy Hitondra Fiara Intsony ve Aho?
EFA aman-taonany izay ianao no nitondra fiara. Tianao ilay izy, satria afaka mankany amin’izay toerana tianao haleha ianao na rahoviana na rahoviana. Manahy anefa izao ny fianakavianao sy ny namanao, ka mieritreritra hoe sao dia tsy tokony hitondra fiara intsony ianao. Tsy azonao mihitsy hoe maninona ry zareo no manahy.
Raha izany no mahazo anao, dia inona no hanampy anao hanapa-kevitra raha mbola hitondra fiara ianao na tsia?
Mila mahazo alalana avy any amin’ny dokotera ny olona, any amin’ny tany sasany, vao afaka manohy mitondra fiara, rehefa mahatratra ny taona feran’ny fanjakana. Manara-dalàna ny Kristianina mipetraka any sady manaiky ny fanapahan-kevitry ny manam-pahefana. (Rom. 13:1) Na aiza na aiza anefa misy anao, dia misy tari-dalana afaka manampy anao hamaritra raha mbola tokony hitondra fiara ianao na tsia.
DINIHO NY TENANAO
Resahina ao amin’ny tranonkalan’ny Foibe Fikarohana Momba ny Zokiolona (INV) any Etazonia fa tokony hisaintsaina an’ireto ianao:
Sahirana ve aho mamaky ny takela-by eny an-dalana, sa tsy mahita tsara aho amin’ny alina?
Tsy mahavita mitoditodika mijery rétroviseur sy izay tsy taza-maso intsony ve aho?
Tsy mahavita manao zavatra haingana intsony ve aho, ohatra hoe manitsaka frein raha misy zavatra mitranga tampoka?
Miadana loatra ve aho rehefa mitondra fiara ka lasa mitohana ny fifamoivoizana?
Imbetsaka ve aho no saika tratran’ny loza, sa misy pepo na kiaka ny fiarako satria nandona zavatra?
Efa nosakanan’ny polisy ve aho noho ny fomba fitondrako fiara?
Efa nisy fotoana ve aho rendremana rehefa nitondra fiara?
Misy fanafody haniko ve ka mety hisy vokany amin’ny fomba fitondrako fiara?
Efa nisy fianakaviana na namana nilaza tamiko ve hoe mampanahy an-dry zareo ny fomba fitondrako fiara?
Raha eny ny valin’ny iray na ny roa amin’ireo fanontaniana ireo, dia mila manao fanovana sasany ianao. Mila ahenanao angamba ny fotoana itondranao fiara, indrindra fa amin’ny alina. Diniho matetitetika ny fomba fitondranao fiara. Anontanio ny havanao na ny namanao iray hoe ahoana no fahitany ny fomba fitondranao fiara. Diniho koa sao dia tokony hanaraka fampiofanana momba ny fitondrana fiara ianao mba hahaizanao mitandrina kokoa, raha misy any aminareo. Raha eny anefa ny valin’ny telo na mihoatra amin’ireo fanontaniana ireo, dia mety ho tsara kokoa raha tsy mitondra fiara intsony ianao.a
ARAHO NY TOROLALAN’NY BAIBOLY
Mety tsy ho tsapanao hoe efa tsy dia mahay mitondra fiara hoatran’ny taloha intsony ianao. Mety tsy ho zakan’ny sainao koa ilay hoe tsy hitondra fiara intsony. Inona àry ny torolalan’ny Baiboly hanampy anao handini-tena amin’ny saina tsy miangatra sy handray fanapahan-kevitra tsara? Misy roa ireto:
Miezaha hanetry tena foana. (Ohab. 11:2) Tsy kingakinga intsony isika rehefa antitra, dia tsy miasa tsara intsony koa ny maso sy ny sofina ary ny hozatra. Misy karazana fanatanjahan-tena tsy ataon’ny ankamaroan’ny olona intsony, ohatra, rehefa mihantitra izy satria fantany hoe misy vokany ratsy aminy ilay izy. Hoatr’izany koa ny mitondra fiara. Raha manetry tena ny olona iray, dia tsy hitondra fiara intsony izy rehefa hitany hoe mety hampidi-doza azy izany. (Ohab. 22:3) Raha miresaka ny zavatra mampanahy azy ireo koa ny olona sasany, dia hihaino an-dry zareo izy sady hanaraka ny toroheviny.—Ampitaho amin’ny 2 Samoela 21:15-17.
Mitandrema sao hivesatra trosan-dra. (Deot. 22:8) Mampidi-doza ny fiara raha tsy hain’ny mpamily ny mifehy azy. Mety hamoy ny ainy na hahafaty olona izy, raha mbola mitondra fiara ihany nefa efa tsy mahay hoatran’ny taloha intsony. Hivesatra trosan-dra izy raha mahafaty olona.
Raha sarotra aminao ny manapa-kevitra, dia aza mieritreritra hoe tsy hasian’ny olona vidiny intsony ianao na tsy hohajainy intsony rehefa tsy mitondra fiara intsony. Tadidio hoe ny toetra tsaranao no itiavan’i Jehovah anao. Anisan’izany ilay ianao manetry tena, miaro ny ain’ny hafa, ary manaiky hoe voafetra ny mety ho vitanao. Mampanantena izy hoe hanohana sy hampionona anao. (Isaia 46:4) Tsy hahafoy anao mihitsy izy. Angataho àry izy mba hanome anao fahendrena sy hanampy anao hampihatra ny torolalan’ny Baiboly, mba hahaizanao manapa-kevitra raha mbola hitondra fiara ianao na tsia.
a Raha mila fanazavana fanampiny ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Circulation routière : êtes-vous en sécurité”, ao amin’ny Mifohaza! 22 Aogositra 2002 (frantsay).