LAHATSORATRA FIANARANA 44
HIRA 138 Tsara Tarehy Amin’i Jehovah Ireo Fotsy Volo
Inona no Hanampy ny Be Taona ho Falifaly Foana?
“Hiroborobo foana izy ireo na dia efa antitra aza.”—SAL. 92:14.
HEVITRA HODINIHINA
Nahoana ny be taona no tokony ho falifaly foana, ary ahoana no hahavitany an’izany?
1-2. Ahoana no fahitan’i Jehovah ny be taona tsy mivadika? (Salamo 92:12-14; jereo koa ny sary.)
SAMY manana ny fomba iatrehany ny fahanterana ny olona. Tadidinao ve, ohatra, tamin’ianao nahita ny volofotsinao voalohany? Tianao hongotana haingana angamba ilay izy dieny mbola tsy nisy nahita. Hitanao anefa avy eo hoe tsy nahasakana ny hafa tsy hipoitra izany. Tsy zakan’ny olona maro tokoa ilay hoe mihantitra.
2 Hafa mihitsy anefa no fahitan’ilay Raintsika any an-danitra an’ireo mpanompony efa zokinjokiny. (Ohab. 16:31) Ohariny amin’ny hazo mandrobona be ry zareo. (Vakio ny Salamo 92:12-14.) Nahoana no mety tsara io fampitahana io? Satria efa am-polony taona matetika ny hazo mandrobona tsara sy misy felany mamerovero. Anisan’izy ireny ny serizy mamelana fahita any Japon. Misy tena tsara tarehy izy ireny, ary mahatratra arivo taona mahery. Tsara tarehy hoatr’ireny hazo efa matoy ireny koa no fahitan’i Jehovah ny mpanompony tsy mivadika efa be taona. Ilay olona no ifantohany fa tsy ny volofotsiny. Sarobidy aminy ny toetra tsaran’izy ireo, anisan’izany ny fiaretany sy ny tsy fivadihany ary ireo taona maro nanompoan-dry zareo azy.
Tsara tarehy sy mandrobona foana hoatran’ny hazo efa matoy ny be taona tsy mivadika. (Fehintsoratra 2)
3. Efa nampiasa ny be taona ve i Jehovah mba hanatanterahana ny fikasany? Manomeza ohatra.
3 Mbola sarobidy amin’i Jehovah foana ny olona iray na dia efa antitra aza.a Imbetsaka aza izy no nampiasa zokiolona mba hanatanterahana ny fikasany. Efa be taona, ohatra, i Saraha tamin’i Jehovah nilaza hoe hisy firenena mahery hipoitra avy aminy ary ho lasa razamben’ny Mesia izy. (Gen. 17:15-19) Efa zokiolona i Mosesy tamin’i Jehovah naniraka azy hitarika ny Israelita avy tao Ejipta. (Eks. 7:6, 7) Efa antitra koa ny apostoly Jaona, tamin’izy nasain’i Jehovah nanoratra boky dimy ao amin’ny Baiboly.
4. Inona no hanampy ny be taona hiaritra zava-tsarotra? (Ohabolana 15:15) (Jereo koa ny sary.)
4 Miatrika olana be dia be ny olona rehefa mihantitra. Mananihany hoatr’izao ny anabavy iray: “Tsy moramora anie io mihantitra io e!” Hanampy ny be taona hiatrika an’izany anefa ny fifaliana.b (Vakio ny Ohabolana 15:15.) Hodinihintsika ato hoe inona no hanampy ny zokiolona ho falifaly foana, ary ahoana no azon’ny hafa anampiana ny zokiolona ao amin’ny fiangonany. Hodinihintsika aloha hoe nahoana no sarotra ilay hoe ho falifaly foana rehefa mihamandroso ny taona.
Hahavita hiaritra ny olana amin’ny fahanterana ny be taona raha falifaly foana (Fehintsoratra 4)
METY HIHENA NY FIFALIANA REHEFA MANDROSO NY TAONA
5. Inona no mety hahakivy ny be taona sasany?
5 Inona izao no mety hahakivy anao? Malahelo angamba ianao satria tsy vitanao intsony ny zavatra vitanao taloha. Mety hanembona an’ilay tamin’ianao mbola tanora sy salama tsara ianao. (Mpito. 7:10) Izao, ohatra, no nolazain’ny Ranabavy Ruby: “Sahirana aho mampiditra akanjo, satria manaintaina ny vatako sady tsy afaka mihetsika firy. Na zavatra tsotra hoatran’ny mampiditra ba kiraro aza mila tsy ho vitako. Manaintaina ny tanako dia tsy afaka miasa tsara ny rantsantanako, ka sarotra amiko na dia ny manao zavatra madinidinika aza.” Izao indray no nolazain’i Harold, rahalahy nanompo tao amin’ny Betela: “Sosotra aho indraindray satria tsy hoatran’ny taloha intsony. Natanjaka be mantsy aho tamin’ny mbola tanora. Tena tia nilalao baseball aho. Hoy ny olona tamin’izany: ‘Omeo an’i Harold ny baolina hanaovany azy.’ Izao anefa na ny hanipy baolina aza tsy vitako intsony.”
6. a) Inona koa no mety hahakivy ny be taona sasany? b) Inona no hanampy ny be taona hanapa-kevitra raha mbola hitondra fiara izy na tsia? (Jereo ato amin’ity gazety ity ilay lahatsoratra hoe “Tsy Hitondra Fiara Intsony ve Aho?”)
6 Mety ho kivy ianao satria tsy tena mahaleo tena intsony, indrindra raha mila olona hikarakara anao ianao na mila mifindra any amin’ny zanakao. Mety halahelo be koa ianao satria marary na lasa tsy dia mahita tsara, ka tsy azonao atao intsony ny mandeha irery any amin’izay toerana tianao na ny mitondra fiara. Tena mafy izany! Marina aloha hoe mety tsy ho afaka hikarakara tena, na hipetra-drery, na hitondra fiara ianao. Tadidio anefa hoe mbola tena sarobidy amin’i Jehovah sy ny olon-kafa ianao, na dia voafetra aza ny azonao atao. Afaka matoky koa isika hoe azon’i Jehovah tsara izay tsapantsika. Ny maha izy antsika no tena zava-dehibe aminy. Fantany hoe tena tia azy sy ny mpiara-manompo isika, sady mankasitraka an-dry zareo.—1 Sam. 16:7.
7. Inona no hanampy an’ireo malahelo satria hoatran’ny tsy hahita ny faran’izao tontolo izao?
7 Malahelo angamba ianao satria hoatran’ny tsy hahita ny faran’izao tontolo izao. Inona no hanampy anao, raha izany? Iezaho tadidina hoe misy antony matoa i Jehovah mbola miandry alohan’ny hamaranany an’izao tontolo ratsy izao. (Isaia 30:18) Manam-paharetana izy, satria mbola misy olona an-tapitrisany tiany hahafantatra azy sy hanompo azy. (2 Pet. 3:9) Rehefa kivy àry ianao, dia saintsaino hoe be dia be ny olona handray soa alohan’ny hahatongavan’ny farany satria manam-paharetana i Jehovah. Mety ho fianakavianao mihitsy aza ny sasany amin’izy ireny.
8. Inona no mety ho vokatry ny fahanterana eo amin’ny olona iray?
8 Rehefa marary isika, na firy taona na firy taona, dia mety hiteny na hanao zavatra anenenantsika. (Mpito. 7:7; Jak. 3:2) Hoatr’izany i Joba, ilay mpanompon’i Jehovah tsy nivadika. “Nirediredy” izy tamin’izy nijaly. (Joba 6:1-3) Mety hisy vokany hafa amin’ny zokiolona koa ny aretina. Misy zavatra lazainy na ataony, ohatra, nefa tsy fanaony mihitsy ilay izy. Mazava ho azy fa tsy tokony ho kizitina isika na hitaky be loatra amin’ny hafa, satria fotsiny hoe be taona na marary. Raha tonga saina koa isika hoe niteny zavatra nampalahelo ny hafa, dia tokony hiala tsiny avy hatrany.—Mat. 5:23, 24.
INONA NO HANAMPY ANAO HO FALIFALY FOANA?
Inona no hanampy anao ho falifaly foana na dia tsy mora aminao aza ny miatrika ny fahanterana? (Fehintsoratra 9-13)
9. Nahoana ianao no tokony hanaiky ny fanampian’ny hafa? (Jereo koa ny sary.)
9 Avelao hanampy anao ny hafa. (Gal. 6:2) Mety ho sarotra aminao izany amin’ny voalohany. Hoy ny Ranabavy Gretl: “Sarotra amiko indraindray ny mangataka fanampiana, satria hoatran’ny hoe lasa enta-mavesatra ho an’ny hafa aho. Elaela aho vao nahavita nanova ny toe-tsaiko sy nanetry tena ka niaiky hoe mila fanampiana.” Rehefa avelanao hanampy anao ny hafa, dia ho tsapany hoe mahasambatra ny manome. (Asa. 20:35) Azo antoka hoe ho faly koa ianao mahita hoe tena tia anao ry zareo sady mikarakara anao.
(Fehintsoratra 9)
10. Nahoana ianao no tsy tokony hanadino hisaotra? (Jereo koa ny sary.)
10 Mahaiza mankasitraka. (Kol. 3:15; 1 Tes. 5:18) Faly isika rehefa manao zavatra tsara ho antsika ny hafa, nefa hadinontsika indraindray ny misaotra an-dry zareo. Raha mitsikitsiky anefa isika sady miteny hoe misaotra, dia lasa tsapan’ny namantsika hoe nankasitrahantsika ny zavatra nataony. Izao no nolazain’i Leah, anabavy iray mpikarakara be taona ao amin’ny Betela: “Misy an’izay rahavavy karakaraiko izay misaotra ahy foana, dia ataony amin’ny taratasy kely ilay izy. Teny vitsivitsy ihany no soratany, nefa manohina ny fo. Tena tiako ny mamaky an’ireny taratasy ireny, ary faly aho mahafantatra hoe mankasitraka ny fanampiako izy.”
(Fehintsoratra 10)
11. Ahoana no azonao anampiana ny hafa? (Jereo koa ny sary.)
11 Miezaha hanampy ny hafa. Tsy dia hifantoka be amin’ny olana mahazo anao ianao, raha manokana ny fotoananao sy ny herinao mba hanampiana ny hafa. Milaza ny ohabolana afrikanina iray hoe hoatran’ny boky feno fahendrena ny zokiolona. Tsy mahasoa anefa ny boky raha tsy vakina. Tsy ho afaka hiana-javatra avy aminao koa ny tanora raha tsy miresaka aminy ianao, dia mizara an’izay zavatra fantatrao. Mametraha fanontaniana amin-dry zareo, dia henoy izay lazainy. Ampianaro an-dry zareo hoe nahoana ny fanarahana ny fitsipik’i Jehovah no tsara indrindra, sady hahasambatra an-dry zareo. Azo antoka hoe ho falifaly ianao raha mampionona sy mampahery ny tanora.—Sal. 71:18.
(Fehintsoratra 11)
12. Inona no ampanantenain’i Jehovah ny be taona, ao amin’ny Isaia 46:4? (Jereo koa ny sary.)
12 Mangataha hery amin’i Jehovah. Mety ho reraka ara-batana na ara-pihetseham-po ianao. I Jehovah kosa “tsy mba reraka na sasatra mihitsy.” (Isaia 40:28) Ahoana, ohatra, no ampiasany an’izany heriny tsy misy fetrany izany? Manatanjaka an’ireo be taona tsy mivadika izy. (Isaia 40:29-31) Mampanantena mihitsy aza izy hoe hanampy an-dry zareo. (Vakio ny Isaia 46:4.) Mitana ny teniny foana i Jehovah. (Jos. 23:14; Isaia 55:10, 11) Raha mivavaka ianao ka mahatsapa avy eo hoe tia sy manohana anao izy, dia ho falifaly ianao.
(Fehintsoratra 12)
13. Inona no tokony hotadidintsika araka ny 2 Korintianina 4:16-18? (Jereo koa ny sary.)
13 Tadidio hoe mandalo ihany ny fahanterana. Ho mora kokoa aminao ny hiaritra, rehefa ataonao an-tsaina hoe mandalo ihany ny zava-tsarotra atrehinao. Manome toky koa ny Baiboly hoe tsy hisy intsony ny fahanterana sy ny aretina any aoriana any. (Joba 33:25; Isaia 33:24) Afaka ny ho faly àry ianao satria fantatrao fa mbola ho tsara lavitra noho ny tamin’ny lasa ny hoavy. (Vakio ny 2 Korintianina 4:16-18.) Ahoana anefa no azon’ny hafa anampiana?
(Fehintsoratra 13)
AHOANA NO AZON’NY HAFA ANAMPIANA NY ZOKIOLONA?
14. Nahoana no zava-dehibe ny mitsidika ny be taona sy mitelefaonina an-dry zareo?
14 Tsidiho sy antsoy tsy tapaka ry zareo. (Heb. 13:16) Mety hahatsiaro ho manirery ny zokiolona. Tsy afaka mivoaka ny trano, ohatra, ny Rahalahy Camille. Hoy izy: “Tsy maintsy mijanona ato an-trano foana aho tontolo andro, dia leo be. Hoatran’ny liona antitra voahidy ao anaty tranony no fahatsapako ny tenako indraindray. Mahasorena be ilay izy.” Rehefa mitsidika ny be taona isika, dia manome toky an-dry zareo izany hoe sarobidy amintsika izy sady tiantsika. Nisy fotoana ve ianao nieritreritra hitsidika be taona iray ao amin’ny fiangonanareo na hitelefaonina azy, nefa tsy vitanao akory ilay izy? Be atao daholo aloha isika rehetra e! Inona àry no hanampy antsika “hamantatra an’izay zava-dehibe kokoa”, anisan’izany ny mitsidika zokiolona? (Fil. 1:10) Maninona raha soratana ao amin’ny kalandrie hoe mila manoratra kely ho an’ny zokiolona ao amin’ny fiangonanareo ianao, na mila mitelefaonina azy? Mba tsidiho koa ry zareo. Mifidiana mihitsy andro iray, amin’izay tsy hadinonao ilay izy.
15. Inona no azon’ny be taona sy ny tanora iarahana manao?
15 Tsy hitanao angamba izay horesahina na hatao miaraka amin’ny zokiolona. Aza miasa saina be amin’izany anefa. Miezaha fotsiny mba ho namany. (Ohab. 17:17) Maninona raha mba miresaka kely aminy, aloha na aorian’ny fivoriana? Azonao anontaniana, ohatra, izy hoe inona no andinin-teny tiany indrindra, na zavatra mampihomehy tadidiny tamin’izy mbola kely. Azonao asaina koa izy mba hiaraka aminao hijery fandaharana Tele JW. Misy fomba hafa koa azonao anampiana ny be taona. Jereo, ohatra, raha mandeha tsara ny fitaovana elektronika ampiasainy, na ampio izy haka ny zavatra ianarana any am-pivoriana. Hoy ny anabavy iray atao hoe Carol: “Raha misy zavatra mahafinaritra anao, dia mba ataovy miaraka aminy. Na dia efa be taona aza aho, dia mbola te hankafy fiainana. Tiako, ohatra, ny miantsena, mivoaboaka misakafo, ary mijerijery zavaboary.” Hoy koa ny anabavy iray atao hoe Maira: “Efa 90 taona izay namako iray izay, dia izaho 33 taona. Tsy mahatsapa an’izany elanelan-taona izany anefa aho matetika, satria miara-mihomehimehy izahay, dia miara-mijery filma. Rehefa manana olana koa izahay dia mifanome torohevitra.”
16. Nahoana no ilaina ny miaraka amin’ny be taona rehefa ho any amin’ny dokotera ry zareo?
16 Miaraha aminy rehefa mankany amin’ny dokotera izy. Ankoatra ny hoe manatitra azy, dia azonao atao koa ny mitondra azy ao amin’ny dokotera mba ho azonao antoka hoe mikarakara sy mandray azy tsara ny mpiasan’ny fahasalamana. (Isaia 1:17) Azonao atao koa ny mandray an-tsoratra an’izay lazain’ny dokoterany. Hoy ny anabavy be taona antsoina hoe Ruth: “Matetika aho no mandeha irery rehefa mankany amin’ny dokotera, dia tsy tena raharahiany izay lazaiko. Miteny, ohatra, izy hoe: ‘Tsy marary izany ianao, fa ny sainao fotsiny no mamorona.’ Rehefa misy olona miaraka amiko anefa, dia hafa mihitsy ny fomba andraisan’ny dokotera ahy. Misaotra ny mpiara-manompo aho noho ry zareo mahafoy fotoana itondrana ahy any amin’ny dokotera.”
17. Inona ny karazana fanompoana azonao atao miaraka amin’ny zokiolona?
17 Miaraha manompo aminy. Mety tsy hahavita hitory isan-trano ny be taona sasany satria marefo. Azonao atao ve, ohatra, ny manasa be taona iray hanao fampirantiana miaraka aminao? Mety ho afaka hitondra seza hipetrahany mihitsy aza ianao. Azonao asaina hampianatra miaraka aminao koa ny be taona, na entinao mankany an-tranony mihitsy ilay mpianatra. Hitan’ny anti-panahy sasany hoe mora kokoa amin’ny zokiolona ny mandeha mitory rehefa atao any an-tranony ny fivoriana alohan’ny fanompoana. Tsy ho very maina ny ezaka ataontsika mba hanomezana voninahitra ny be taona.—Ohab. 3:27; Rom. 12:10.
18. Inona no hodinihintsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka?
18 Nampahatsiahivina antsika tato hoe tian’i Jehovah sy sarobidy aminy ny zokiolona. Hoatr’izany koa no fahitantsika rehetra an-dry zareo. Tsy mora ilay hoe mihantitra, nefa afaka manampy anao ho falifaly foana i Jehovah. (Sal. 37:25) Mampahery ny mahafantatra hoe mbola ho tsara lavitra noho ny tamin’ny lasa ny hoavy. Ahoana indray ny amin’ireo mikarakara havana be taona, na ankizy na namana marary? Inona no hanampy an-dry zareo ho falifaly foana? Hodinihintsika izay ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
HIRA 30 Jehovah no Raiko sy Namako
a Jereo ao amin’ny jw.org sy JW Library® ilay video hoe Mbola Tena Ilaina Ianareo Be Taona.