Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 28 Desambra
HERINANDRON’NY 28 DESAMBRA
Hira 79 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
ia toko 5 § 14-26, famerenana p. 50 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 2 Tantara 25-28 (8 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho an’ny volana: “Tsy maintsy mandia fahoriana maro isika mba hidirantsika ao amin’ny fanjakan’Andriamanitra.”—Asa. 14:22.
15 min: Mivavaha ho An’ny Mpiara-manompo. Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao aloha ny mpanatrika hamaky ny Asan’ny Apostoly 12:1-11. Diniho ny hevi-dehibe ao amin’ny boky Torio (p. 77-80, feh. 5-12). Manonòna lahatsoratra vao haingana ao amin’ny jw.org, ao amin’ilay hoe “Vaovao.” Ampirisiho ny tsirairay hivavaka ho an’ny mpiara-manompo miatrika zava-tsarotra, na aiza na aiza misy azy. Asaivo manonona anarana mihitsy izy ireo, raha mety.—2 Kor. 1:11; 1 Tim. 2:1, 2.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
Hira 124 sy Vavaka