Valin’ny Fanontanianareo
◼ Rahoviana no tokony hajanona ny fampianarana Baiboly iray?
Rehefa tsy mandroso mihitsy ilay mpianatra. (Mat. 10:11) Diniho izao: Manaja ny fotoana fianaranareo ve izy? Manomana ve izy? Mivory tsindraindray ve izy? Miresaka amin’ny hafa an’izay nianarany ve izy? Mampihatra ny fitsipiky ny Baiboly ve izy? Jereo koa anefa ny taonany sy ny fahaizany, satria tsy mitovy ny fandrosoan’ny tsirairay. Raha ajanonao izy, dia mahaiza mandanjalanja tsara an’izay horesahina aminy. Lazao koa fa mbola afaka mampianatra azy indray ianao rehefa vonona izy any aoriana any.—1 Tim. 2:4.