Fomba Fitory Modely
Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra
“Fantatrao ve hoe avy aiza ilay anarana hoe Vavolombelon’i Jehovah? [Avelao izy hamaly.] Ato amin’ny Baiboly ny valiny ary nolazain’Andriamanitra ato koa ny tena anarany. [Vakio ny Salamo 83:18.] Mampahafantatra amin’ny olona ny vaovao tsara momba an’i Jehovah sy ny fikasany izahay satria Vavolombelony. Manitsy an’ireo hevi-diso maro lazain’ny olona momba anay ity gazety ity.”
Mifohaza! Septambra
“Miaiky ny ankamaroan’ny olona fa ilaina ny vola. Misy maharatsy azy ve anefa ny hoe tia vola loatra, araka ny hevitrao? [Avelao izy hamaly.] Mariho ange izay voalaza ato e! [Vakio ny 1 Timoty 6:9.] Manampy antsika hahay handanjalanja eo amin’ny resaka vola ity gazety ity.”