Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 27 Aprily
HERINANDRON’NY 27 APRILY
Hira 1 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 23 § 19-23, efajoro p. 239 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Samoela 26-31 (8 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
Foto-kevitra ho an’ny volana: Aoka ianao ho hendry, ka “hararaoty tsara ny fotoana.”—Efes. 5:15, 16.
7 min: “Asao Foana ny Olona.” Fanontaniana sy valiny. Rehefa eo amin’ny fehintsoratra faha-3, dia ataovy fampisehoana vetivety ny fomba fanolorana an’ilay fanasana.
10 min: “Fampahatsiahivana Momba ny Fivoriambe.” Fiaraha-midinika, ataon’ny mpitan-tsoratra. Diniho ny toro lalana voaresaka ao, ary hazavao ny fomba hampiharana azy ireny amin’ny fivoriamben’ny vondrom-paritra 2015. Makà hevitra avy ao amin’ilay taratasy ho an’ny fiangonana rehetra tamin’ny 3 Aogositra 2013, mba hanazavana ny fomba hisorohana loza.
13 min: “Ataovy Misy Heriny eo Amin’ny Olona Itorianao ny Tenin’Andriamanitra.” Fiaraha-midinika. Asio fampisehoana fohy roa: 1) Manolotra ny bokikely Vaovao Tsara ny mpitory iray, ary manonona ampahany amin’ny 2 Timoty 3:16, 17 izy fa tsy manokatra Baiboly. 2) Averiny ilay fampisehoana saingy vakiny avy ao amin’ny Baiboly ilay andinin-teny. Anontanio ny mpanatrika hoe nahoana no mandaitra kokoa ilay faharoa.
Hira 124 sy Vavaka