FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/15 p. 3
  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
km 4/15 p. 3

Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 27 Aprily 2015. Natao eo koa ny daty andinihana an’ilay fanontaniana, mba ho afaka hanao fikarohana ianao rehefa manomana isan-kerinandro.

  1. Inona no atao hoe fitiavana tsy miovaova, ary iza avy no mila azy io? (Rota 1:16,17) [2 Mar., w12 1/7 p. 26, feh. 6]

  2. Nahoana i Rota no nalaza ho “vehivavy tsara tokoa”? (Rota 3:11) [2 Mar., w12 1/10 p. 23, feh. 1]

  3. Inona no ianarantsika avy amin’i Hana rehefa manana olana isika? (1 Sam. 1:16-18) [9 Mar., w07 15/3 p. 16, feh. 4-5]

  4. “Nihalehibe teo anatrehan’i Jehovah” i Samoela tamin’izy mbola zaza, fa tsy nanao ratsy toa an’ireo zanak’i Ely. Inona no nanampy azy ho voaro? (1 Sam. 2:21) [9 Mar., w10 1/10 p. 16, feh. 2-3]

  5. Tsy nanao zavatra maimaika i Saoly rehefa nisy “lehilahy tsy manjary” tsy nanaiky azy ho mpanjaka. Inona no ianarantsika avy amin’izany? (1 Sam. 10:22, 27) [23 Mar., w05 15/3 p. 23, feh. 1]

  6. Diso hevitra i Saoly ka nieritreritra hoe tsy voatery mankatò an’i Jehovah izy rehefa manao sorona ho azy. Inona no lesona lehibe raisintsika avy amin’izany? (1 Sam. 15:22, 23) [30 Mar., w07 15/6 p. 26, feh. 3-4]

  7. Nahoana no mampahery antsika ny mahafantatra fa “mijery ny fo” i Jehovah? (1 Sam. 16:7) [6 Apr., w10 1/3 p. 23, feh. 7]

  8. Araka ny Ohabolana 1:4, inona no tian’i Jehovah hataontsika rehefa miatrika zava-tsarotra isika? (1 Sam. 21:12, 13) [13 Apr., w05 15/3 p. 24, feh. 5]

  9. Nahoana no lazaina fa tsy nanohitra ny fahefan’ny vadiny i Abigaila rehefa nanome sakafo an’i Davida sy ny olony? (1 Sam. 25:10, 11, 18, 19) [20 Apr., w09 1/7 p. 20, feh. 3]

  10. Niala tsiny noho ny fahadisoana tsy nataony i Abigaila. Inona no ianarantsika avy amin’izany? (1 Sam. 25:24) [20 Apr., w02 1/11 p. 5, feh. 1, 4]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara