Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 2 Jona
HERINANDRON’NY 2 JONA
Hira 134 sy Vavaka
Fianarana Baiboly:
cl toko 8 § 1-8 (30 min.)
Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Eksodosy 38-40 (10 min.)
No. 1: Eksodosy 40:20-38 (4 min. na latsaka)
No. 2: Midika ho Inona ho An’ny Kristianina ny Sabata?—w11 15/7 p. 28 § 16-17, izay fanitsiana ny rs p. 371 (5 min.)
No. 3: Tsy Nitsahatra Nitory ny Vaovao Tsara—jv p. 90-94 § 5 (5 min.)
Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Manolora Gazety Amin’ny Volana Jona. Lahateny misy fiaraha-midinika. Ataovy fampisehoana aloha ny fanolorana an’ireo gazety, ka ampiasao ireo fomba fitory modely roa eto amin’ity pejy ity. Iaraho midinika hatramin’ny farany avy eo ireo fomba fitory modely. Eo am-pamaranana, dia ampirisiho ny rehetra mba hamaky tsara an’ireo gazety sy hazoto hizara azy ireo.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Ahoana no Nampiharantsika Azy? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hilaza ny soa noraisiny rehefa nampihatra ny soso-kevitra ao amin’ilay lahatsoratra hoe “Hatsarao ny Fanompoanao: Omano ny Fampidiran-dresaka.” Asao izy ireo avy eo hitantara zavatra mampahery mifandray amin’izany. Diniho mandritra ny roa minitra ilay hoe “Iza no tokony homena karatry ny fivoriambe?” eo amin’ny fampandrenesana.
Hira 44 sy Vavaka