FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 5/14 p. 4
  • Fampandrenesana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fampandrenesana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2014
km 5/14 p. 4

Fampandrenesana

◼ Zavatra atolotra amin’ny Mey sy Jona: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? na ny taratasy mivalona: Ahoana no Fiheveranao ny Baiboly?, Hanao Ahoana ny Fiainana Amin’ny Hoavy?, Inona no Tena Mahasambatra ny Fianakaviana?, Iza no Tena Mpitondra An’izao Tontolo Izao?, Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina?, ary Tsy Hijaly Intsony ve Isika Indray Andro Any? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly. Jolay: Vaovao Tsara Natao ho Anao! na ny bokikely: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (ho an’ny Silamo), Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao, Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (mety hahaliana an’ireo te hanaporofo hoe diso ny evolisiona), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly rehefa miverina mitsidika. Aogositra: Hanao ezaka manokana ny fiangonana any an-tanàn-dehibe mba hizarana an’ilay taratasy mivalona vaovao fampahafantarana ny tranonkala jw.org. Mbola hanohy hanolotra ny bokikely tamin’ny Jolay 2014 ihany ny fiangonana any ambanivohitra. (Hanolotra ny bokikely ho an’ny Jolay koa ny fiangonana any an-tanàn-dehibe raha tsy mampiasa Internet ny olona itoriany.)

◼ Iza no tokony homena karatry ny fivoriambe? Tsy ny olon-drehetra no tokony homena karatry ny fivoriambe. Ireny karatra ireny mantsy no mampiseho fa tsara laza eo anivon’ny Vavolombelon’i Jehovah ilay olona mitondra azy. Tokony homena karatry ny fivoriambe ny mpitory vita batisa rehetra. Azo omena koa ny ankizy sy ny olon-kafa manatrika fivoriana tsy tapaka, ary efa miezaka ho lasa mpitory. Tsy mety kosa raha omena karatry ny fivoriambe ny olona voaroaka. Tokony hojeren’ny anti-panahy hoe arahina ireo toromarika ireo, rehefa hozaraina ireo karatra.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara