FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/13 p. 8
  • Fomba Fitory Modely

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fomba Fitory Modely
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
  • Mitovitovy Aminy
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2015
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Fomba Fitory Modely
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
km 12/13 p. 8

Fomba Fitory Modely

Hanombohana Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana Janoary

“Samy manana ny heviny momba an’Andriamanitra ny olona. Misy milaza fa hery hafahafa izy, moa ny hafa mihevitra hoe Ray be fitiavana any an-danitra izy. Ary ahoana ny hevitrao?” Avelao izy hamaly. Asehoy ilay lahatsoratra eo amin’ny pejy farany amin’ilay Tilikambo Fiambenana 1 Janoary. Iaraho midinika ny fanontaniana voalohany, ary mamakia andinin-teny iray, fara fahakeliny. Atolory miaraka amin’ny Mifohaza! ilay gazety, ary manaova fotoana mba handinihana ny fanontaniana manaraka.

Ny Tilikambo Fiambenana 1 Janoary

“Malahelo be isika rehefa maty ny olona akaiky antsika, ary efa tratran’izany daholo isika. Miaiky angamba ianao fa izany no zavatra mafy indrindra, sa ahoana? [Avelao izy hamaly.] Nampahery olona maro ity andinin-teny ity. [Vakio ny Isaia 25:8.] Resahin’ity gazety ity fa mampanantena ny Baiboly hoe tsy hisy intsony ny fahafatesana ary hatsangana ny maty.”

Mifohaza! Janoary

“Miaiky angamba ianao fa miatrika olana be dia be ny fianakaviana amin’izao, sa ahoana? [Avelao izy hamaly.] Resahin’ity ohabolana ato amin’ny Baiboly ity ny zavatra tena ilain’ny fianakaviana mba hahasambatra azy. [Vakio ny Ohabolana 24:3.] Maro no mahatsapa fa tena mahasoa ny fahendrena avy ao amin’ny Baiboly. Misy tranonkala manampy maimaim-poana ny fianakaviana amin’ny alalan’ny Baiboly, ary miresaka momba an’io tranonkala io ity gazety ity.”

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara