Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 16 Desambra
HERINANDRON’NY 16 DESAMBRA
Hira 116 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jl lesona 20-22 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Apokalypsy 1-6 (10 min.)
No. 1: Apokalypsy 3:14–4:8 (4 min. na latsaka)
No. 2: Tsy Fombafomba Fotsiny ny Fivavahana Marina fa Tena Fomba Fiaina—rs p. 257 § 4 (5 min.)
No. 3: Inona avy no “Modely” Nomen’i Jesosy ny Mpianany?—Jaona 13:15 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Inona no Zava-bitantsika? Lahateny misy fiaraha-midinika ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Ilazao ny fiangonana hoe taiza avy ny faritany efa nizarana ny Vaovao Momba Ilay Fanjakana No. 38. Asao ny mpanatrika hilaza ny soa noraisiny tamin’izy ireo nizara an’ilay izy. Asao koa izy ireo hitantara ny zavatra niavaka hitany.
10 min: Miderà An’i Jehovah ry Tanora. (Sal. 148:12, 13) Manadinadìna tanora roa na telo fakan-tahaka. Inona avy no misedra ny finoan’izy ireo any am-pianarana? Ahoana no nanampian’ny ray aman-dreniny sy ny olon-kafa azy ireo? Inona no nanampy azy ireo ho sahy hilaza ny zavatra inoany? Asaivo mitantara ny zavatra mitranga aminy izy ireo.
10 min: “Manatòna An’i Jehovah no Hianarana Manomboka Amin’ny 6 Janoary.” Fanontaniana sy valiny.
Hira 75 sy Vavaka