Manatòna An’i Jehovah no Hianarana Manomboka Amin’ny 6 Janoary
1. Inona no hataontsika manomboka amin’ny herinandron’ny 6 Janoary, ary inona no soa horaisintsika amin’izany?
1 Tian’i Jehovah hanatona azy isika. (Jak. 4:8) Hianatra ny Manatòna An’i Jehovah àry isika amin’ny Fianarana Baiboly Ataon’ny Fiangonana, manomboka amin’ny herinandron’ny 6 Janoary. Izao no zava-kendren’io boky io, araka ny hita ao amin’ny pejy faha-3: “Hanjary ho akaiky an’i Jehovah Andriamanitra isika, raha manao izao: Misaintsaina ny fomba nanehoany ny toetrany tsirairay sy ny nanahafan’i Jesosy Kristy tsara izany, ary mamantatra ny fomba azontsika anehoana ilay toetra.” Efa nianatra an’io boky io ny fiangonana tamin’ny 2004 sy 2005. Efa nitombo roa tapitrisa eo ho eo anefa ny mpitory vita batisa taorian’izay, ka sambany ny maro amin’izy ireo vao hianatra ny toetran’i Jehovah amin’ny an-tsipiriany. Ho an’izay efa nianatra an’ilay boky kosa, dia vao mainka hitombo ny fitiavany ny toetran’i Jehovah.—Sal. 119:14.
2. Ahoana no hianarana ny boky Manatòna An’i Jehovah?
2 Ahoana no fianarana an’ilay izy? Hanao teny fampidirana fohy ny mpitarika eo am-piandohan’ny fianarana, ka mety ho fehezanteny iray na roa izany. Tsy voafaritra ny andinin-teny tokony hovakina ka ny mpitarika no hifidy an’izay andinin-teny fototra hovakina mandritra ny fianarana. Afaka mametraka fanontaniana famerenana iray na roa ny mpitarika, amin’ny faran’ny fianarana. Raha tafiditra amin’ilay fianarana ilay efajoro hoe “Fanontaniana Hosaintsainina”, dia iny no hampiasaina hanaovana famerenana. Raha ampy ny fotoana, dia azo vakina ny andinin-teny sasany ao amin’ilay efajoro ary afaka mametraka fanontaniana fanampiny ny mpitarika avy eo mba hampirisihana ny mpanatrika hamoaka hevitra.
3. Inona no tokony hataontsika rehefa hianatra an’ilay boky, ary nahoana?
3 Hararaoty ilay fianarana: Omano ilay boky na dia efa nianatra an’ilay izy aza ianao taloha. Manomeza koa valin-teny satria midera an’i Jehovah izany sady manampy anao hitadidy an’ilay fianarana ary manampy ny hafa handray soa. (Sal. 35:18; Heb. 10:24, 25) Ho akaiky kokoa an’i Jehovah ianao rehefa misaintsaina ny toetra tsarany. (Sal. 77:11-13) Izany no hahatonga antsika ho tapa-kevitra kokoa ny hankatò azy sy hazoto kokoa hiresaka momba azy amin’ny hafa.—Sal. 150:1-6.