Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 9 Septambra
HERINANDRON’NY 9 SEPTAMBRA
Hira 62 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 14 § 1-7 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Korintianina 10-16 (10 min.)
No. 1: 1 Korintianina 14:7-25 (4 min. na latsaka)
No. 2: Ahoana no Ahafahan’ny Olombelona Mpanota ‘Mampitony An’i Jehovah’?—2 Tan. 33:12, 13; Isaia 55:6, 7 (5 min.)
No. 3: Nahoana ny Jaona 9:1, 2 no Tsy Manamarina ny Fampianarana hoe Teraka Indray ao Amin’ny Vatana Hafa ny Olona?—rs p. 390 § 3–p. 391 § 3 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Ry Tanora—Inona no Tanjonareo eo Amin’ny Fiainana?—Fizarana 1. Lahateny miorina amin’ilay taratasy mivalona hoe Tanjon’ny Tanora, fehintsoratra 1-9. Derao ny tanora manao loha laharana an’ilay Fanjakana.
10 min: Fitantaran’ny Mpitory Izay Nampiasa An’ilay Bokikely Vaovao Tsara. Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hitantara ny zavatra niavaka hitany rehefa nampiasa ny bokikely Vaovao Tsara izy mba hanombohana fampianarana Baiboly. Asio fampisehoana hoe ahoana no azo ampiasana an’ilay bokikely rehefa miverina mitsidika olona nandray gazety.—Jereo Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 2013, pejy 7.
10 min: “Tahafo Ireo Mpaminany: Amosa.” Fanontaniana sy valiny.
Hira 96 sy Vavaka