FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/13 p. 3
  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2013
km 8/13 p. 3

Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 26 Aogositra 2013. Natao eo koa ny daty andinihana an’ilay fanontaniana, mba ho afaka hanao fikarohana ianao rehefa manomana isan-kerinandro.

1. Inona no ianarantsika avy amin’ny naneken’i Heroda Mpanjaka handray ny dera sy voninahitra tsy tokony ho azy? (Asa. 12:21-23) [1 Jolay, w08 15/5 p. 32, feh. 7]

2. Inona ny soa raisin’ny tanora kristianina rehefa mandinika ny ohatr’i Timoty sy manahaka azy? (Asa. 16:1, 2) [8 Jolay, w08 15/5 p. 32, feh. 10]

3. Ahoana no nanampian’i Akoila sy Prisila an’i Apolosy rehefa ren’izy ireo “nitory tamim-pahasahiana” tao amin’ny synagogan’i Efesosy izy? (Asa. 18:24-26) [15 Jolay, w10 15/6 p. 11, feh. 4]

4. Tantara inona ao amin’ny Baiboly no mahatonga ny Vavolombelon’i Jehovah hampakatra raharaha any amin’ny fitsarana mba hiarovana ny zony hitory? (Asa. 25:10-12) [22 Jolay, bt p. 198, feh. 6]

5. Ahoana no nahitan’ny apostoly Paoly fomba hitoriana foana na dia nigadra tany Roma aza izy, ary ahoana no anahafan’ny mpanompon’i Jehovah azy ankehitriny? (Asa. 28:17, 23, 30, 31) [29 Jolay, bt p. 215-217, feh. 19-23]

6. Nahoana ny firaisan’ny samy lehilahy na samy vehivavy no lazain’ny Baiboly hoe fanao tsy voajanahary sady zava-betaveta? (Rom. 1:26, 27) [5 Aog., g 1/12 p. 28, feh. 7]

7. Nahoana ny “vidim-panavotana naloan’i Kristy Jesosy” tamin’ny taona 33 no nahafahana namela ny fahotana nataon’ny olona talohan’izay? (Rom. 3:24, 25) [5 Aog., w08 15/6 p. 29, feh. 6]

8. Inona ny fanampiana omen’i Jehovah rehefa miady saina be isika ary tsy hitantsika izay hambara amin’ny vavaka? (Rom. 8:26, 27) [12 Aog., w08 15/6 p. 30, feh. 10]

9. Inona no dikan’ilay hoe “miezaha ho tia mandray vahiny”? (Rom. 12:13) [19 Aog., w09 15/10 p. 5-6, feh. 12-13]

10. Amin’ny fomba ahoana no ‘hitafiantsika ny toetran’i Jesosy Kristy Tompo’, araka ny torohevitry ny apostoly Paoly? (Rom. 13:14) [26 Aog., w05 1/1 p. 11-12, feh. 20-22]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara