Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 1 Jolay
HERINANDRON’NY 1 JOLAY
Hira 69 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 11 § 9-14 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Asan’ny Apostoly 11-14 (10 min.)
No. 1: Asan’ny Apostoly 11:1-18 (4 min. na latsaka)
No. 2: Ahoana no Tokony Hampiasantsika ny Fiainantsika Raha Mankasitraka ny Vidim-panavotana Isika?—rs p. 426 § 6–p. 427 § 2 (5 min.)
No. 3: Iza no Tena Namantsika?—Sal. 119:63 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fomba Fanolorana ny Gazety Amin’ny Jolay. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny 30 segondra na iray minitra hoe nahoana no hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo ireo gazety. Asao ny mpanatrika hilaza fanontaniana mahaliana azo apetraka momba an’ireo matoan-dahatsoratra ao amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Asao izy ireo avy eo hilaza andinin-teny azo vakina. Raha ampy ny fotoana, dia mbola asaivo miresaka lahatsoratra iray hafa izy ireo. Ataovy fampisehoana ny fomba azo anolorana ny gazety tsirairay.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Inona no Lesona Raisintsika? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao aloha ny mpanatrika hamaky ny Lioka 12:16-31. Diniho avy eo hoe ahoana no azo ampiharana an’ireo andininy ireo eny amin’ny fanompoana.
Hira 35 sy Vavaka