Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Jona: Iray amin’ireto taratasy mivalona ireto: Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana, Fiainam-piadanana ao Amin’ny Tontolo Vaovao, Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra!, Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?, Iza Marina no Manapaka Ity Tontolo Ity?, Iza moa i Jehovah?, Jesosy Kristy—Iza moa Izy?, Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao?, Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry?, ary Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Raha liana ilay olona, dia miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina, na amin’ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa dia Hiaina Mandrakizay. Jolay sy Aogositra: Vaovao Tsara Natao ho Anao! na ny iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ho Sambatra Ianao Raha Manana ny Tena Finoana (ho an’ny Silamo), Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa An’Andriamanitra dia Hiaina Mandrakizay Ianao, Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (mety hahaliana an’ireo te hanaporofo hoe diso ny evolisiona), Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly rehefa miverina mitsidika. Septambra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!