Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 24 Jona
HERINANDRON’NY 24 JONA
Hira 123 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 11 § 1-8 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Asan’ny Apostoly 8-10 (10 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: “Miresaha Foto-kevitra Iray fa Manolora Gazety Roa.” Lahateny. Ataovy fampisehoana avy eo ilay fomba fitory modely ao amin’ny pejy 4, mba hanombohana fampianarana Baiboly ny asabotsy voalohany amin’ny Jolay.
10 min: Tsy Very Maina ny Ezaka Ataontsika. (Heb. 6:10) Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny Diary 2013 (p. 112, feh. 3–p. 115, feh. 1). Asao ny mpanatrika hilaza izay lesona noraisiny.
10 min: Zavatra Atolotra Amin’ny Jolay sy Aogositra. Lahateny misy fiaraha-midinika. Hazavao vetivety ny mampiavaka an’ireo bokikely hatolotra. Ataovy fampisehoana ny fomba fanolorana ny iray amin’ireo bokikely. Ataovy fampisehoana koa ny fametrahana ny bokikely Vaovao Tsara, ka ilay fomba fitory modely ao amin’ny pejy 4 no ampiasao, na ny iray amin’ireo fanoloran-kevitra ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 2013.
Hira 129 sy Vavaka