Ampitomboy ny Fanompoanao mba Hiderana An’i Jehovah
1. Inona no fandaharana vaovao manampy antsika “hankalaza fatratra an’i Jehovah”?
1 Nisy fandaharana vaovao natomboka tamin’ny Martsa lasa teo. Afaka manao mpisava lalana mpanampy manatratra 30 ora ny mpitory, mandritra ny volana Martsa sy Aprily ary mandritra ny fitsidihana mahazatra ataon’ny mpiandraikitra ny faritra. Raha misabaka volana roa ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra, dia afaka mifidy ny iray amin’ireo volana ireo ny mpitory mba hanaovany mpisava lalana mpanampy manatratra 30 ora. Afaka manatrika ny fivoriana manontolo iarahan’ny mpiandraikitra ny faritra amin’ny mpisava lalana maharitra sy manokana ny mpisava lalana mpanampy rehetra. Mbola ho afaka “hankalaza fatratra an’i Jehovah” ihany isika na dia tsy mahatratra 50 ora aza, satria afaka manao mpisava lalana mpanampy manatratra 30 ora, hatramin’ny inefatra isan-taona.—Sal. 109:30; 119:171.
2. Inona no soa horaisin’ny mpisava lalana mpanampy mandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra?
2 Mandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra: Maro kokoa izao no ho afaka hanao mpisava lalana mpanampy mandritra ny fitsidihan’ny mpiandraikitra ny faritra ka ho afaka hifampahery aminy eny amin’ny fanompoana. (Rom. 1:11, 12) Maro ny mpisava lalana mpanampy mety hangataka andro tsy hiasana mba hiarahana manompo amin’ny mpiandraikitra ny faritra. Ireo miasa andavanandro kosa afaka mangataka ny hiara-manompo aminy ny asabotsy na alahady. Tena hampahery an’ireo mpisava lalana mpanampy koa ny miara-mivory amin’ireo mpisava lalana maharitra sy manokana.
3. Nahoana ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana no mety tsara hanaovana mpisava lalana mpanampy?
3 Mandritra ny volana Martsa sy Aprily: Maro no nanararaotra an’ilay fandaharana teo aloha, ka nanao mpisava lalana mpanampy manatratra 30 ora mandritra ny iray volana, amin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana. Afaka manao “sorona fiderana” avo roa heny izy ireo izao. (Heb. 13:15) Mety tsara ny volana Martsa sy Aprily mba hampitomboana ny fanompoana ka hanaovana mpisava lalana mpanampy. Fotoana mahafaly hanasana ny olona hanatrika Fahatsiarovana mantsy ireo. Afaka miara-manompo amin’ny mpitory samihafa koa isika satria betsaka no mampitombo ny fanompoany rehefa vanim-potoan’ny Fahatsiarovana. Mitsidika an’ireo nanatrika ny Fahatsiarovana isika ary manasa ny olona ho avy amin’ny lahateny manokana. Handrisika anao hanararaotra an’ireo fahafahana hanao mpisava lalana mpanampy ireo ve ny fonao?—Lioka 6:45.