Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 10 Jona
HERINANDRON’NY 10 JONA
Hira 114 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 10 § 14-19 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Asan’ny Apostoly 1-4 (10 min.)
No. 1: Asan’ny Apostoly 1:15–2:4 (4 min. na latsaka)
No. 2: Inona avy no Fitahiana ho Azo Noho Ilay Vidim-panavotana?—rs p. 425 § 1–p. 426 § 1 (5 min.)
No. 3: Nahoana no toy ny Rivotra Mahafaty ny Toe-tsain’ny Olona Maro?—Efes. 2:1, 2 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Zava-dehibe ny Mijery ny Olona eo Amin’ny Masony. Lahateny miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 124, feh. 1–p. 125, feh. 4). Asio fampisehoana fohy: Mpitory iray zara raha mijery ny mason’ilay olona itoriany. Avereno ilay fampisehoana avy eo: Mijery ny mason’ilay olona itoriany ilay mpitory.
10 min: Inona no Zava-bitantsika? Lahateny misy fiaraha-midinika ataon’ny mpitan-tsoratra. Resaho ireo zava-bita tamin’ny vanim-potoan’ny Fahatsiarovana, ary derao ny fiangonana noho ny ezaka nataony. Asao ny mpanatrika hitantara izay nahafinaritra azy rehefa nizara ny taratasy fanasana hanatrika Fahatsiarovana, na rehefa nanao mpisava lalana mpanampy.
10 min: “Ovanao Arakaraka ny Zava-misy ve ny Fitorianao?” Fanontaniana sy valiny.
Hira 74 sy Vavaka