Zava-nisongadina teo Amin’ny Fanompoana
Tena nampahery ny fitsidihan’ny mpiandraikitra mpitety sampana. Nisy 15 000 mahery no afaka nihaino an’ilay fandaharana manokana, tany amin’ny toerana 14 manerana ny Nosy. Nahatratra 27 119 koa ny mpitory tamin’ny Novambra ary tampon’isa vaovao izany.