Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 6 Mey
HERINANDRON’NY 6 MEY
Hira 26 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 9 § 1-7 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Jaona 1-4 (10 min.)
No. 1: Jaona 3:22-36 (4 min. na latsaka)
No. 2: Inona no Tena Dikan’ny hoe ‘Mandeha Araka ny Fanahy’?—Gal. 5:16 (5 min.)
No. 3: Nahoana no Tsy Mitovy Amin’ny Fahafatesan’ny Maritiora ny Fahafatesan’i Jesosy Kristy?—rs p. 421 § 2–p. 422 § 1 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Fomba Fanolorana ny Gazety Amin’ny Mey. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny 30 segondra na iray minitra hoe nahoana no mety hahaliana ny olona ao amin’ny faritaninareo ireo gazety ireo. Ampiasao avy eo ny matoan-dahatsoratra amin’ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza!, ka asao ny mpanatrika hilaza fanontaniana mahaliana azo apetraka sy andininy azo vakina. Raha ampy ny fotoana, dia mbola asaivo miresaka lahatsoratra iray hafa izy ireo. Ataovy fampisehoana hoe ahoana no azo anolorana ny gazety tsirairay.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Raha Tsy i Jehovah no Manao ny Trano, dia Very Maina ny Asa Mafy Ataon’ny Mpanorina Azy. (Sal. 127:1) Lahateny misy fiaraha-midinika, miorina amin’ny Diary 2013 (p. 149, feh. 1–p. 150, feh. 3). Asao ny mpanatrika hilaza ny lesona noraisiny.
Hira 47 sy Vavaka