Fampandrenesana
◼ Zavatra atolotra amin’ny Aprily: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina rehefa mitsidika olona liana. Raha tsy mifanaraka amin’izay ilain’ilay olona io boky io, dia ampiasao ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa dia Hiaina Mandrakizay. Mey sy Jona: Iray amin’ireto taratasy mivalona ireto: Ankafizo ny Fiainam-pianakaviana, Fiainam-piadanana ao Amin’ny Tontolo Vaovao, Hifarana Tsy ho Ela ny Fijaliana Rehetra!, Ho Tafita Velona ve Ity Tontolo Ity?, Iza Marina no Manapaka Ity Tontolo Ity?, Iza moa i Jehovah?, Jesosy Kristy—Iza moa Izy?, Manana Fanahy Tsy Mety Maty ve Ianao?, Manantena Inona ny Olon-tiana Nodimandry?, na Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Raha liana ilay olona, dia miezaha hanomboka fampianarana Baiboly amin’ny boky Ampianarina, na amin’ny bokikely Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa dia Hiaina Mandrakizay. Jolay: Vaovao Tsara Natao ho Anao! na ny iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Anaran’Andriamanitra, Fanahin’ireo Maty, Lalana, Mihainoa An’Andriamanitra na Mihainoa dia Hiaina Mandrakizay, Nisy Namorona ve Izao Rehetra Izao? (ho an’ireo mino ny evolisiona), Rehefa Nodimandry, Sakaizan’Andriamanitra, Tena Finoana (ho an’ny Silamo), ary Tena Miahy. Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly rehefa miverina mitsidika.
◼ Azo ahitsy ny fandaharam-pivoriana amin’ny herinandro alohan’ny fivoriamben’ny vondrom-paritrareo, mba handinihana an’ireo torohevitra sy fampahatsiahivana momba ny fivoriambe, izay nodinihina ny herinandron’ny 22 Aprily. Azo atao famerenana ireo hevitra azo ampiharina eny amin’ny fanompoana, iray na roa volana aorian’ny fivoriambe, ka atao mandritra ny zavatra ilain’ny fiangonana izany.
◼ Raha maniry hanatrika fivoriamben’ny vondrom-paritra any an-toeran-kafa ianao, dia azonao jerena ao amin’ny www.jw.org ao amin’ny Internet ny fanazavana momba izany. Ho hitanao izany raha mankao amin’ilay fizarana hoe “Momba Anay” ianao, ary miditra ao amin’ilay hoe “Fivoriambe.”