Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 29 Aprily
HERINANDRON’NY 29 APRILY
Hira 50 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 8 § 14-20 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Lioka 22-24 (10 min.)
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana (20 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Manomboha Fampianarana Baiboly ny Asabotsy Voalohany Amin’ny Volana. Ataovy fampisehoana ilay fomba fitory modely eo amin’ny pejy 8 mba hanombohana fampianarana ny asabotsy voalohany amin’ny Mey. Ampirisiho ny rehetra hampihatra azy io. Resaho ilay hoe “Jerijereo Matetika ny Tabilao Misy ny Filazana.”
10 min: Ilay Hafatra Tsy Maintsy Torintsika: “Ity Filazantsaran’ny Fanjakana Ity.” Lahateny velombelona miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana (p. 279-281).
10 min: Inona no Lesona Raisintsika? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao ny mpanatrika hamaky ny Matio 16:21-23 sy ny Lioka 9:22-26. Diniho avy eo ny fomba azo ampiharana an’ireo fitantarana ireo eo amin’ny fanompoana.
Hira 117 sy Vavaka