Tahafo Ireo Mpaminany: Jona
1. Inona avy ny toetra tsaran’i Jona?
1 Inona no tonga ao an-tsainao rehefa mieritreritra an’i Jona mpaminany ianao? Mety hisy hihevitra hoe kanosa sy tsy miantra olona izy. Tena nanetry tena sy be herim-po ary nahafoy tena anefa izy. Ahoana no hanahafantsika ny toetra tsaran’i Jona ka hahatonga azy ho “modely” ho antsika?—Jak. 5:10.
2. Ahoana no ahitana fa manetry tena toa an’i Jona isika?
2 Nanetry tena: Nandositra lavitra an’ilay faritany nanendrena azy i Jona tamin’ny voalohany. Tsy mahagaga izany satria nalaza ho nahery setra be ny Asyrianina, ary lasa nantsoina hoe “tanàna mpandatsa-dra” i Ninive. (Nah. 3:1-3) Nanarin’i Jehovah anefa i Jona ary nanetry tena ka nanaiky rehefa nirahina fanindroany. (Ohab. 12:1; Jona 3:1-3) Nanao ny sitrapon’i Jehovah izy na dia nanda aza tamin’ny voalohany. (Mat. 21:28-31) Raha nanarina isika na sarotra itoriana ny faritanintsika, moa ve isika vonona hitory ny vaovao tsara foana?
3. Nahoana ny mpitory no mila herim-po sy fahafoizan-tena?
3 Be herim-po sy nahafoy tena: Rehefa hitan’i Jona fa nahatandindomin-doza ny ain’ireo tantsambo ny fanapahan-keviny, dia vonona ho faty ho azy ireo izy. (Jona 1:3, 4, 12) Rehefa nitory tany Ninive izy tatỳ aoriana, dia nandeha an-tongotra nankany afovoan-tanàna. Nitady toerana mety tsara hanambarana ny didim-pitsaran’i Jehovah angamba izy. Tsy olona kanosa mihitsy no hahavita an’izany fa mpaminany be herim-po. (Jona 3:3, 4) Mila herim-po avy amin’Andriamanitra koa isika mba ho sahy hitory rehefa misy manohitra. (Asa. 4:29, 31) Mila mahafoy tena koa isika satria manome ny fotoanantsika sy ny fananantsika rehefa manompo.—Asa. 20:24.
4. Nahoana isika no tokony haka fotoana hisaintsainana ny modely nomen’ny mpaminanin’i Jehovah?
4 Handray soa isika isaky ny mamaky tantaran’ny mpaminanin’i Jehovah, raha mipetraka eo amin’ny toeran’izy ireo. Saintsaino hoe: Inona no ho nataoko? Ahoana no anahafako ny toetra tsaran’izy ireo? (Heb. 6:11, 12) Horesahin’ny lahatsoratra hafa amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana izay azontsika ianarana avy amin’ny mpaminanin’i Jehovah hafa tsy nivadika.