Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 8 Aprily
HERINANDRON’NY 8 APRILY
Hira 123 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 7 § 14-20 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Lioka 10-12 (10 min.)
No. 1: Lioka 12:1-21 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana no Misy Firazanana Samihafa?—rs p. 232 § 1–p. 233 § 1 (5 min.)
No. 3: Nahoana no Raisintsika ho toy ny Raintsika i Jehovah?—Mat. 6:9 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
10 min: Afaka Mampahery ny Hafa Ianao. (Rom. 1:11, 12) Lahateny misy fiaraha-midinika ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Lazao ny isan’ny mpisava lalana maharitra eo anivon’ny fiangonana. Miresaha fomba sasany azo ampaherezana azy ireo, ohatra hoe manao teny fankasitrahana, miara-manompo aminy, manome azy saran-dalana, na miara-misakafo aminy. Manasà mpisava lalana hitantara ny fomba nampaherezan’ny hafa azy ireo. Raha tsy misy mpisava lalana maharitra ao aminareo, dia ampiharo amin’ny mpisava lalana mpanampy ity anjara ity.
10 min: Famaliana Fanontaniana Momba ny Andro Farany. Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny boky Fandresen-dahatra (p. 72, feh. 5–p. 74, feh. 1). Asio fampisehoana fohy iray.
10 min: “Tahafo Ireo Mpaminany: Jona.” Fanontaniana sy valiny.
Hira 13 sy Vavaka