Zava-nisongadina teo Amin’ny Fanompoana
Novambra
Rahalahy sy anabavy 9 915 no nandre ny lahatenin’ny mpiandraikitra mpitety sampana hoe “Olona Manao Ahoana moa Ianao?”, tamin’ny 31 Desambra 2011. Nampitaina tamin’ny alalan’ny telefaonina tany amin’ny efitrano fivoriambe tany Antsirabe, Antsiranana, Fianarantsoa, Mahajanga, Toamasina, ary Toliara ny fandaharana, ary sambany vao nisy an’izany hatramin’izay. Nampahery ny fampahatsiahivana nomena tamin’izany. Faly koa isika fa nisy tampon’isa vaovao tamin’ny Novambra. Lasa 25 258 ny mpitory.