Ankafizo ny Hiran’ilay Fanjakana
Fanomezana tsara avy amin’i Jehovah ny hira, ary manaiky izany isika mpanompony. (Jak. 1:17) Fiangonana maro no mandefa moramora ny hiran’ilay Fanjakana, aloha sy aorian’ny fivoriana, ary mankafy izany. Mampitony antsika ireny feon-kira ireny rehefa tonga ao amin’ny Efitrano Fanjakana isika, sady manomana ny saintsika mba hifantoka. Rehefa mihaino an’ireo hira vaovao isika, dia lasa haintsika ny feony ka mora amintsika ny mihira azy. Azo alefa aorian’ny fivoriana koa anefa ny hiran’ilay Fanjakana. Hampahery sy hahafinaritra amin’izay ny miresadresaka amin’ny mpiara-mpanompo. Tokony halefa àry ilay CD Mihirà ho An’i Jehovah—Piano, aloha sy aorian’ny fivoriana, ary ny anti-panahy no handamina izany. Tsy tokony hatao mafy loatra anefa ilay izy, mba tsy hanelingelina ny olona miresaka.