FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/11 p. 1
  • Mpitory Foana Isika na Aiza na Aiza

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Mpitory Foana Isika na Aiza na Aiza
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
  • Mitovitovy Aminy
  • Fitoriana Isan-trano
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2006
  • “Ataovy ny Asan’ny Mpitory ny Vaovao Tsara”
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2004
  • Mampianara ampahibemaso sy isan-trano
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1991
  • Nahoana no Tena Ilaina ny Fitoriana Isan-trano Ankehitriny?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2008
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
km 12/11 p. 1

Mpitory Foana Isika na Aiza na Aiza

1. Inona no manaporofo fa tsy nitsahatra nitory ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany?

1 “Tsy nitsahatra” nitory ireo Kristianina tamin’ny taonjato voalohany, na taiza na taiza nahitany olona. (Asa. 5:42) Azo inoana fa rehefa handeha hitory isan-trano izy ireo, dia tsy nandalovany fotsiny ny olona nifanena taminy teny an-dalana, fa nitoriany koa. Rehefa avy nanompo koa izy ireo ka niantsena, dia azo inoana fa tsy nisalasala nitory tsy ara-potoana. Ny mpiasa birao no tsy voatery miasa intsony rehefa mirava. Ny mpitory kosa tsy misy firavana fa mitory foana rehefa afaka manao izany, toy ny nataon’i Jesosy.—Mar. 6:31-34.

2. Ahoana no hahatonga antsika ho mendrika ny anarantsika?

2 Vonona foana: Antsoina hoe Vavolombelon’i Jehovah isika, ary ny fomba fiainantsika isan’andro no tafiditra amin’izany, fa tsy ny zavatra ataontsika tsindraindray fotsiny. (Isaia 43:10-12) Tokony ho vonona foana àry isika hiaro ny fanantenantsika, na dia rehefa tsy mitory isan-trano aza. (1 Pet. 3:15) Eritrereto mialoha izay toe-javatra azonao itoriana tsy ara-potoana, ka omano izay holazainao. Tsara koa ny mitondra zavatra hapetraka foana, ho an’izay liana. (Ohab. 21:5) Fitoriana isan-trano ihany àry ve no ataonao, sa ianao mandray anjara amin’ny fitoriana amin’ny endriny hafa koa?

3. Nahoana no mety raha antsoina hoe fitoriana “ampahibemaso”, ny fitoriana eny an-dalana, eny amin’ny zaridainam-panjakana, fijanonan’ny fiara, toerana be orinasa, sy ny sisa?

3 Fitoriana ampahibemaso: Miezaka mitory ny vaovao tsara ny Kristianina, eny amin’izay toerana ahitany olona. Mety ho eny an-dalana izany, na toerana fijanonan’ny fiara, na zaridainam-panjakana, toerana be orinasa, sy ny sisa. Tadidio fa tsy zava-baovao izany, sady tena tokony hatao fa tsy hoe misy safidy. Nilaza ny apostoly Paoly fa nitory “ampahibemaso” sy isan-trano izy. (Asa. 20:20) Mety tsara àry raha antsoina hoe fitoriana “ampahibemaso” ireny endri-pitoriana samihafa ireny. Marina aloha fa mbola ny fitoriana isan-trano no tena fampiasantsika sy tena ahitana vokatra. Olona anefa no tena nifantohan’ireo mpitory tamin’ny taonjato voalohany, fa tsy trano. Nitory foana izy ireo raha vao afaka. Mety ho fitoriana ampahibemaso izany, na isan-trano, na tsy ara-potoana. Enga anie isika hanahaka ny toe-tsain’izy ireo, ka hanatanteraka tsara ny fanompoantsika.—2 Tim. 4:5.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara