Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 12 Desambra
HERINANDRON’NY 12 DESAMBRA
Hira 43 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
bt toko 14 § 1-5, efajoro p. 112 (25 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Isaia 6-10 (10 min.)
No. 1: Isaia 6:1-13 (4 min. na latsaka)
No. 2: Nahoana no Miandry Ela Be Andriamanitra vao Handringana An’ireo Ratsy Fanahy?—rs p. 72 § 1-3 (5 min.)
No. 3: Nahoana no Tsy ho Levona Mandrakizay ny Fitiavana?—1 Kor. 13:8; 1 Jaona 4:8 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
15 min: Sekolin’ny Fanompoana Amin’ny Taona 2012. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Miresaha zavatra vitsivitsy tokony hampiharin’ny fiangonanareo avy ao amin’ilay fandaharana amin’ny sekoly amin’ny 2012. Ampahatsiahivo koa ny andraikitry ny mpanome torohevitra mpanampy. Ampirisiho ny rehetra hazoto hanao ny anjarany, hanome valin-teny amin’ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, ary hampihatra izay soso-kevitra homena isan-kerinandro avy ao amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana.
15 min: “Mpitory Foana Isika na Aiza na Aiza.” Fanontaniana sy valiny. Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 2, dia manadinadìna mpitory iray mahomby rehefa mitory tsy ara-potoana. Asao izy hilaza hoe inona no fanomanana ataony, ary asaivo mitantara zavatra iray nahafinaritra azy izy.
Hira 135 sy Vavaka