Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 6 Septambra
HERINANDRON’NY 6 SEPTAMBRA
□ Fianarana Baiboly:
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 12-15
No. 1: 2 Mpanjaka 13:1-11
No. 2: Ahoana avy no Mety Hahazoantsika ny Fanahy Masina?
No. 3: Inona no Tena Izy: Jehovah sa Iaveh? Nahoana no Ilaina ny Mahalala sy Mampiasa ny Anaran’Andriamanitra? (rs p. 285 § 2–p. 288 §1)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: Nahoana no Tsy Mpaminany Sandoka Isika? Lahateny misy fiaraha-midinika mifototra amin’ny boky Fandresen-dahatra pejy 349, fehintsoratra 3 ka hatramin’ny pejy 351, fehintsoratra 1. Ataovy fampisehoana ny iray amin’ireo soso-kevitra eo amin’ny pejy 350 sy 351.
10 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
10 min: Manadinadìna mpitory fakan-tahaka iray na roa, nanompo an’i Jehovah nandritra ny taona maro ary tsy nivadika. Inona no fiovana hitany teo amin’ny fitoriana ataontsika, hatramin’ny nanombohany nitory? Nanao ahoana ny fitomboana hitany teo an-toerana sy maneran-tany? Ahoana no nanampian’ny fandaminana azy mba hahay hitory kokoa?