Fampandrenesana
◼ Aogositra: Iray amin’ireto bokikely 32 pejy ireto: Afaka ny ho Sakaizan’Andriamanitra Ianao!, Efa Hitanao ve ny Lalana Mankany Amin’ny Fiainana Mandrakizay?, Ny Anaran’Andriamanitra Izay Haharitra Mandrakizay, Ny Fanahin’ireo Maty—Afaka Manampy Anao ve Izy Ireo sa Afaka Manisy Ratsy Anao? Tena Misy Tokoa ve Izy Ireo?, Rehefa Nodimandry ny Olona Iray Tianao, ary Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra? Septambra: Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly dieny eo am-pitoriana. Oktobra: Ny Tilikambo Fiambenana sy Mifohaza! Omeo an’ilay taratasy mivalona hoe Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? ilay olona raha liana, ary miresaha hevitra avy ao. Miezaha hanomboka fampianarana Baiboly. Novambra: Bokikely Inona no Voalaza ao Amin’ny Baiboly?
◼ Izao no lahateny hataon’ny mpiandraikitra ny faritra manomboka amin’ny Septambra: “Aza Mijery Zavatra Tsy Misy Ilana Azy!”
◼ Tsy hampiasaina intsony manomboka izao ilay taratasy fampiasa isan-taona hoe Filazana ny Isan’ny Boky sy Gazety (S-18). Ny taratasy Isan’ny Boky Miditra sy Mivoaka Isam-bolana (S-28) ihany no hampiasain’ny fiangonana tsirairay handefasana ny isan’ny boky sy gazety isan-taona. Alefaso atỳ amin’ny biraon’ny sampana, miaraka amin’ny tatitra momba ny fanompoana Aogositra, izy io, fara fahatarany ny 20 Septambra 2010.
◼ Ireto misy voambolana sy anarana boky novana: Ny ‘fanoloran-tena’ lasa hoe ‘fanokanan-tena.’ Ny ‘fihaonana’ lasa hoe ‘fivoriana alohan’ny fanompoana.’ Ny ‘fandehan-javatra’ lasa hoe ‘tontolo’ (ohatra: tontolo ratsin’i Satana, tontolo vaovao). Ny ‘zavatra vita an-tsoratra’ lasa hoe ‘boky sy gazety.’ Ny boky Fahatakarana ny Hevitry ny Soratra Masina novana hoe Fandalinana ny Soratra Masina.