Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 30 Aogositra
HERINANDRON’NY 30 AOGOSITRA
□ Fianarana Baiboly:
cf toko 9 § 17-21, efajoro p. 96
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 2 Mpanjaka 9-11
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
10 min: “Efa Nampiasa ny Pejy Farany Amin’ny Gazety ve Ianao?” Lahateny misy fiaraha-midinika. Ataovy fampisehoana ny fomba azo anolorana ny Tilikambo 1 Septambra, ka ny soso-kevitra omena ato ampiasaina. Avy eo dia mifidiana lahatsoratra iray na roa avy ao amin’ny Mifohaza! Septambra, ary anontanio ny mpanatrika hoe inona no fanontaniana sy andinin-teny azo ampiasaina amin’ireo lahatsoratra ireo. Ataovy fampisehoana ny fomba azo anolorana an’ilay Mifohaza!
20 min: “Ho Vitanao ny Hitory Tsy Ara-potoana”—Fizarana 2. Fanontaniana sy valiny, miorina amin’ny fehintsoratra 9-13 sy ilay efajoro eo amin’ny pejy 6.