Efa Nampiasa ny Pejy Farany Amin’ny Gazety ve Ianao?
Matetika ny olona no mijery ny fonony rehefa mahazo gazety vaovao, ary mamadibadika azy io sy mijery vetivety ny pejy farany. Misy fanontaniana sy hevitra mahaliana eo amin’ny pejy farany amin’ny Tilikambo ho an’ny besinimaro, ary hita eo ny pejy hahitana an’ilay fanazavana.
Afaka maka hevitra eo amin’io pejy farany io isika mba hahitana fanontaniana hanombohan-dresaka. Raha iasana matetika ny faritanintsika, dia ho afaka hanovaova fomba fitory isika, ka hampiasa fanontaniana samihafa mandritra ny volana. Azontsika hafohezina ny resaka raha sahirana ilay olona. Afaka mampiseho ny iray amin’ireo fanontaniana any amin’ny pejy farany isika, ary miteny hoe: “Azoko omena anao ireto gazety ireto raha tianao ho fantatra ny valiny. Afaka miresaka misimisy kokoa isika rehefa malalaka ianao.” Tian’ny mpitory sasany ny mampiasa ny pejy farany amin’ny gazety mba hanombohan-dresaka, ka asainy mifidy amin’ireo fanontaniana ny olona. Asehony avy eo ny pejy misy ny valiny, ary mamaky andinin-teny iray efa nomaniny izy. Mety hahita hevitra hafa azo ampiasana ny pejy farany amin’ny Tilikambo koa ianao, mba hahatonga ny olona ho liana.