Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 28 Jona
HERINANDRON’NY 28 JONA
□ Fianarana Baiboly:
cf toko 6 § 19-25, efajoro p. 65
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Mpanjaka 3-6
Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
15 min: Miomàna Hanolotra ny Gazety Amin’ny Jolay. Lahateny misy fiaraha-midinika. Resaho mandritra ny iray na roa minitra izay raketin’ireo gazety. Mifidiana lahatsoratra roa na telo, ary anontanio ny mpanatrika hoe inona no fanontaniana sy andinin-teny azo ampiasaina. Ataovy fampisehoana ny fomba azo anolorana an’ilay Tilikambo sy ilay Mifohaza! Ataovy fampisehoana koa ny fomba hanombohana fampianarana Baiboly rehefa miverina mitsidika.—Jereo km 8/07 p. 3.
15 min: Nampiofanina Hatramin’ny Mbola Kely. Lahateny misy fiaraha-midinika. Nalaza ho mpitory ny vaovao tsara be zotom-po sy mahay i Timoty. (Fil. 2:20-22) Mbola zazakely mantsy izy dia efa nahazo fampiofanana ara-panahy avy tamin’ny reniny sy ny renibeny. (2 Tim. 1:5; 3:15) Ireto misy torohevitra araka ny Soratra Masina hanampy ny ray aman-dreny hampiofana ny zanany ho lasa mpitory ny vaovao tsara mahay. 1) Ento manompo ny zanakao dieny mbola kely. Ampiofano handray anjara izy arakaraka ny taonany sy ny fahaizany. (Ohab. 22:6) 2) Asehoy fa loha laharana eo amin’ny fiainanao ny fanompoana. (Fil. 1:9, 10) 3) Ampianaro izy mandritra ny Fotoam-pivavahan’ny Fianakaviana sy amin’ny fotoana hafa, mba ho tia sy hankasitraka ny fitoriana. (Deot. 6:6, 7) 4) Asehoy amin’ny ataonao sy ny teninao fa zavatra tsara ny fitoriana. (Fil. 3:8; 4:8; 1 Tim. 1:12) 5) Miaraha mitory amin’ny fianakavianao ary ataovy fahazaranareo izany. (Asa. 5:41, 42) 6) Miaraha amin’ireo mpitory be zotom-po. (Ohab. 13:20) Anontanio ny mpanatrika hoe inona no nataon’ny ray aman-dreniny mba hahatonga azy ho tia sy hahay hitory.