FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 12/09 p. 3
  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 12/09 p. 3

Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 28 Desambra 2009.

1. Ahoana no ampiharan’ny Kristianina ny toro lalana ao amin’ny Deoteronomia 14:1? [w05 1/1 p. 28; w04 15/9 p. 27, feh. 4]

2. Ahoana no ampiharana ny Deoteronomia 20:5-7, eo anivon’ny fiangonana kristianina ankehitriny? [w04 15/9 p. 27, feh. 5]

3. Rehefa niady ny Israelita, inona no tsy nampitovy azy tamin’ny firenen-kafa? (Deot. 20:10-15, 19, 20; 21:10-13) [cl p. 134-135, feh. 17]

4. Inona no hanampy antsika hanompo an’i Jehovah amin’ny faharavoam-po, izany hoe amim-pifaliana? (Deot. 28:47) [w95 15/1 p. 16, feh. 4-5]

5. Inona no soa raisin’ny ray aman-dreny avy amin’ilay fanoharana mampiseho ny fitiavan’i Jehovah ny Israelita, hita ao amin’ny Deoteronomia 32:9, 11, 12? [w01 1/10 p. 9-10, feh. 7-9]

6. Nofitahin’i Rahaba ny iraky ny mpanjaka, izay nitady an’ireo mpitsikilo. Ahoana no tokony handraisantsika ny tenin’i Rahaba? (Jos. 2:4, 5) [w04 1/12 p. 9, feh. 1; w04 15/11 p. 28, feh. 2; w93 15/12 p. 25, feh. 1]

7. Inona no ianarantsika avy amin’izay nataon’ny Israelita, araka ny hita ao amin’ny Josoa 3:15, 16? [w04 1/12 p. 9, feh. 6]

8. Inona no azontsika ianarana avy amin’izay nataon’i Josoa manoloana ny halatra nataon’i Akana? (Jos. 7:20-25) [w04 1/12 p. 11, feh. 4]

9. Ahoana no anasongadinan’ny Josoa 9:22, 23 fa tsy maintsy tanteraka ny Tenin’Andriamanitra? [w04 1/12 p. 11, feh. 3; si p. 44, feh. 13]

10. Nahoana no mampahery antsika ny ohatr’i Kaleba? (Jos. 14:8, 10-12) [w08 15/2 p. 5, feh. 12-13; w04 1/12 p. 12, feh. 2; w93 15/5 p. 29, feh. 1]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara