Aoka Ianao Hahafoy Tena ho An’ny Mpianatrao
1. Tokony ho vonona hanao inona isika mba hanampiana ny mpianatra?
1 Tsy ampy ny mampianatra Baiboly tsy tapaka, raha tianao hanokan-tena ho an’i Jehovah ilay mpianatra. Toy ny reny maneho fitiavana ny zanany kely no nifandraisan’i Paoly tamin’ireo nampianariny. Vonona koa isika hanome ‘ny aintsika’, izany hoe hahafoy tena, mba hanampiana an’ireo mpianatra handroso.—1 Tes. 2:7-9.
2. Nahoana isika no tokony hiahy an’ireo mpianatra, ary ahoana no azo anaovana izany?
2 Manehoa fiahiana: Rehefa mampihatra an’izay ianarany ilay mpianatra, dia tsy mety amin’ny feon’ny fieritreretany intsony ny minamana amin’ny olona tsy manaraka ny toro lalan’ny Baiboly. (1 Pet. 4:4) Mety hahafoy azy koa ny fianakaviany. (Mat. 10:34-36) Tsy hahatsiaro ho manirery loatra anefa izy, raha tena miahy azy isika. Hoy ny misionera iray za-draharaha: “Aza maika ny handeha rehefa vita ilay fianarana, fa miresadresaha kely raha mety.” Manaova zavatra mihitsy mba hanampiana azy. Tsidiho na antsoy an-telefaonina, ohatra, izy raha marary. Miaraha mipetraka aminy any am-pivoriana raha azo atao, ary ampio izy raha manan-janaka.
3. Ahoana no hahazoan’ny mpianatra fampaherezana avy amin’ny fiangonana?
3 Manampy koa ny fiangonana: Mandalova kely ao amin’ilay mpianatra, raha manompo eny akaiky eny ianao, ary ampifankahalalao aminy ny mpitory namanao. Ovaovao ny namanao rehefa mampianatra azy, ary asao hiaraka aminao koa ny anti-panahy indraindray. Asao hivory ilay olona raha vao manomboka mianatra. Hampahery azy mantsy ny miaraka amin’ny fiangonana, izay ho lasa fianakaviany ara-panahy.—Mar. 10:29, 30; Heb. 10:24, 25.
4. Inona no ho valisoantsika raha mahafoy tena isika?
4 Tena faly ny ray aman-dreny rehefa miandany amin’i Jehovah sy ny fahamarinana ny zanany, satria nisy vokany ny ezaka mafy nataony. (3 Jaona 4) Ho faly toy izany koa isika, raha mahafoy tena ho an’ny mpianatra.