Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 21 Desambra
HERINANDRON’NY 21 DESAMBRA
□ Fianarana Baiboly:
lv toko 14 § 10-14, efajoro p. 164-165, fanazavana fanampiny p. 222-223
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Josoa 9-11
No. 1: Josoa 9:1-15
No. 2: Ahoana no Ahafantarantsika fa Akaiky ny Hara-magedona? (lr toko 47)
No. 3: Afaka Hiaina ao Amin’ny Tontolo Vaovaon’Andriamanitra Ianao (lr toko 48)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
15 min: Mampiasà Boky Ara-baiboly Rehefa Manompo. Lahateny misy fiaraha-midinika miorina amin’ny boky Voalamina (lohatenikely “Fampiasana boky ara-baiboly”, p. 100-101). Anontanio ny mpiandraikitra ny fanompoana na ny anti-panahy iray hoe: Ahoana avy no azo ampiasana tsara ireo boky sy gazetintsika, ary ahoana no hatao mba tsy ho verivery fotsiny izy ireny?
15 min: “ Aoka Ianao Hahafoy Tena ho An’ny Mpianatrao.” Fanontaniana sy valiny. Rehefa avy mandinika ny fehintsoratra 2, dia manadinadìna mpitory iray miahy ny mpianany. Inona avy no ezaka ataony ary inona no vokany? Manadinadìna mpitory iray hafa, izay nandray soa satria tena niahy azy ilay nampianatra Baiboly azy.