Zava-nisongadina teo Amin’ny Fanompoana
Mey
Tena faly isika fa nisy mpianatra vaovao 252 natao batisa teto Madagasikara, nandritra ny volana Mey. Niasa mafy ireo mpitory 21 220 ka nitarika fampianarana Baiboly 57 000 mahery, ary nametraka gazety 450 000 mahery. Azo antoka fa faly i Jehovah mahita ny mpanompony mazoto miasa eny amin’ny saha.