FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 8/09 p. 5
  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
km 8/09 p. 5

Famerenana ny Sekolin’ny Fanompoana

Hodinihina amin’ny Sekolin’ny Fanompoana ireto fanontaniana ireto, ny herinandron’ny 31 Aogositra 2009. Hanao famerenana maharitra 20 minitra ny mpiandraikitra ny sekoly. Miorina amin’ny fanazavana tao amin’ireo anjara nanomboka ny herinandron’ny 6 Jolay ka hatramin’ny 31 Aogositra 2009 izy io.

1. Nahoana no nomena sazy henjana izay ‘nanozona’ ny ray aman-dreniny? (Lev. 20:9) [w 15/5/04 p. 24, feh. 6]

2. Tsy maintsy nanatrika ny Fetin’ny Mofo Tsy Misy Lalivay ny lehilahy israelita rehetra. Iza àry no nijinja ny voaloham-bokatra tamin’ny vary orza natao fanatitra? (Lev. 23:5, 11) [w 15/7/07 p. 26, feh. 3]

3. Inona no mifanitsy amin’ny taona Jobily? (Lev. 25:10, 11) [w 15/7/04 p. 26-27]

4. Moa ve “ireo famantarana” resahina ao amin’ny Nomery 2:2, nisy heviny ara-pivavahana tamin’ny Israely? [w 15/9/02 p. 21, feh. 4]

5. Inona no toe-tsain’ny mpitory manontolo andro ankehitriny, mitovy amin’ny an’ny Nazirita fahiny? (Nom. 6:3, 5, 6) [w 1/8/04 p. 24-25]

6. Nisy lalàna momba ny fisotroan-drononon’ny Levita ao amin’ny Nomery 8:25, 26. Inona no toro lalana ao amin’izany lalàna izany ka azon’ny vahoakan’i Jehovah ankehitriny ampiharina? [w 1/8/04 p. 25, feh. 1]

7. Inona no nahatonga ny Israelita ‘hasesiky ny fitiavan-tena’, ary inona no lesona ianarantsika avy amin’izany? (Nom. 11:4) [w 15/6/01 p. 14-15; w 1/3/95 p. 15, feh. 10]

8. Nahoana no i Miriama ihany no lasa boka, ary inona no lesona lehibe ianarantsika avy amin’izany? (Nom. 12:9-11) [w 1/5/05 p. 29 feh. 2; w 1/8/04 p. 26, feh. 2]

9. Inona no tian’i Josoa sy Kaleba holazaina rehefa nilaza izy ireo fa ‘sakafo’ ireo mponina tao Kanana? (Nom. 14:9) [w 15/5/08 p. 17-18, feh. 5; w 1/10/06 p. 16, feh. 5]

10. Inona no ohatra fampitandremana omen’ny Nomery 21:5 antsika? [w 15/8/99 p. 26-27]

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara