Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 23 Martsa
HERINANDRON’NY 23 MARTSA
□ Fianarana Baiboly:
lv toko 3 § 1-7, efajoro p. 29
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: Genesisy 47-50
No. 1: Genesisy 48:1-16
No. 2: Tokony Hatahotra ny Devoly ve Isika?
No. 3: Manampy Ireo Anjelin’Andriamanitra (lr toko 11)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
5 min: Fampandrenesana.
20 min: Ry Tanora—Inona no Tanjonareo eo Amin’ny Fiainana? Anti-panahy miara-midinika amin’ny mpanatrika an’ilay taratasy mivalona Tanjon’ny Tanora. Derao ireo tanora vita batisa manao loha laharana ny asan’ilay Fanjakana. Adinadìno vetivety ny mpanompo manontolo andro iray efa nanao izany hatramin’ny fahatanorany. ‘Nahoana ianao no nanapa-kevitra hanao izany? Inona avy ny fitahiana azonao?’
10 min: Asehoy fa Manaja ny Olona Ianao, ka Henoy Tsara Izy ary Hevero ny Fomba Fiheviny. Lahateny sy fiaraha-midinika miorina amin’ny boky Sekolin’ny Fanompoana, pejy 186-187. Asio fampisehoana ho fampiharana izay voalazan’ilay boky. Asao ny mpanatrika avy eo hanazava hoe nahoana no nety tsara ny nataon’ilay mpitory.