Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 10 Novambra
10 min: Fampandrenesana. Asaivo resahin’ny mpiandraikitra ny fanompoana hoe faritany aiza avy no efa nizarana ny taratasy mivalona Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina?
15 min: Aoka Isika ho be Fitiavana sy Halala-tanana. Lahateny ataon’ny anti-panahy, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra 2008, pejy 6-7.
20 min: “Manana Harena Sarobidy Hozaraina Isika.”a Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 2, dia asao ny mpanatrika hilaza hoe fahamarinana ara-baiboly inona no nahasarika azy ho ao amin’ny fandaminan’i Jehovah, na nanjary takany kokoa taorian’ny batisany.
Herinandron’ny 17 Novambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy Fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 3. Mpitory maro no efa nanolotra Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra sy ny Mifohaza! Novambra. Asao ny mpanatrika hitantara ny fomba nanolorany an’ireo gazety ireo ka nahitany fahombiazana.
15 min: Valin’ny Fanontanianareo.b
20 min: “Afaka ny ho Mpampianatra Mahay Ianao!”c Manadinadìna mpitory na mpisava lalana iray, izay nihevitra fa tsy hahay hitarika fampianarana Baiboly mihitsy. Ahoana no nianteherany tamin’ny fanampian’i Jehovah? Lafiny inona avy no nanampian’ny fandaminana azy mba ho ampy fahaizana? Inona avy no soa azony tamin’ny asa fampianarana Baiboly?
Herinandron’ny 24 Novambra
10 min: Fampandrenesana. Vakio ny tatitra momba ny kaonty sy ny fankasitrahana ny fanomezana. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Desambra, ary asio fampisehoana iray na roa.
20 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
15 min: Fitantarana. Ampahafantaro ny fiangonana hoe faritany aiza avy no vita tamin’ny fizarana ilay taratasy mivalona Tianao ve ny Hahafantatra ny Marina? Asao ny mpanatrika hitantara ny zavatra nahafinaritra hitany, rehefa nizara ilay taratasy mivalona, na nampiasa azy io hanombohana fampianarana Baiboly. Manasà koa mpitory hitantara ny zavatra mampahery hitany rehefa nanolotra ny boky Ampianarina, tamin’ity Novambra ity. Azo atao fampisehoana ny iray na roa amin’izany.
Herinandron’ny 1 Desambra
10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Novambra.
15 min: Miomàna Hanolotra Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra sy ny Mifohaza! Desambra. Resaho vetivety izay raketin’ireo gazety, ary anontanio ny mpanatrika hoe iza amin’ireo lahatsoratra ao no tena mahaliana ny olona eny amin’ny faritany. Inona no fanontaniana sy andinin-teny azo ampiasaina mba hisarihana ny sain’ny olona ho amin’ilay lahatsoratra? Manaova fampisehoana ka ampiasao ny fomba fampiseho eo amin’ny pejy 4. Asaivo manao fampisehoana fohy ny anti-panahy iray, ka hampiasainy amin’izany ny lahatsoratra mahaliana ny olona eo amin’ny faritany.
20 min: “Ampiomany Hiatrika Fanoherana Ireo Vaovao.”d Rehefa eo amin’ny fehintsoratra 2, dia resaho vetivety ny fanazavana eo ambanin’ilay hoe “Vavolombelon’i Jehovah” ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra. Hazavao hoe ahoana no mety hanampian’io fanazavana io ny mpianatra Baiboly, mba hamaly ny fanontanian’ireo havana na namana tsara fikasa.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.