FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/08 p. 1
  • Ampiomany Hiatrika Fanoherana Ireo Vaovao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ampiomany Hiatrika Fanoherana Ireo Vaovao
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Mitovitovy Aminy
  • Miaraha Hatrany Amin’ny Fandaminan’i Jehovah
    Voalamina mba Hanao ny Sitrapon’i Jehovah
  • ‘Avelao Hamita ny Asany ny Fiaretana’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Fianarana)—2016
  • Ho Vitanao ny Hiaritra Fanenjehana
    Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!—Fianarana Baiboly Natao ho Anao
  • Fiaretana — Tena Ilaina ho An’ny Kristiana
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
km 11/08 p. 1

Ampiomany Hiatrika Fanoherana Ireo Vaovao

1 Ataon’i Satana lasibatra ny olona iray, raha vao manomboka mianatra Baiboly sy maniry “hiaina ao anatin’ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra.” (2 Tim. 3:12) Mety ho avy amin’ny mpiara-miasa, mpiara-mianatra, na mpiray tanàna ny fanoherana. Vao mainka sarotra kokoa ilay izy, rehefa havana no manao izany.—Matio 10:21; Marka 3:21.

2 Ampoizina ny fanoherana: Tokony ho takatr’ireo vaovao fa tsy maintsy misy ny fanenjehana. Porofo mantsy izany fa lasa mpianatr’i Kristy izy. (Jaona 15:20) Indraindray dia diso hevitra momba ny Vavolombelon’i Jehovah ny olona, ka izany no mahatonga azy hanohitra. Tadidio fa tena mahafaly ny hatao afa-baraka, noho isika manara-dia an’i Jesosy sy mankatò an’Andriamanitra. (Asa. 5:27-29, 40, 41) Omeo toky àry ireo vaovao fa tia azy i Jehovah, ka hanampy azy. (Sal. 27:10; Marka 10:29, 30) Raha tsy mivadika izy ireo, dia asehony amin’izany fa miandany amin’i Jehovah izy amin’ilay adihevitra momba ny zo ho mpanjakan’izao rehetra izao.—Ohab. 27:11.

3 Ilaina ny fahalalana marina tsara: Ataovy takatry ny olona ampianarinao Baiboly fa tena ilainy ny mandray hatrany ny fahalalana marina tsara, na dia misy zava-tsarotra aza. Iharan’ny fanoherana ireo vaovao, satria tsy tian’i Satana hamaka ao am-pony ny zavatra ianarany. (Ohab. 4:23; Lioka 8:13) Tsy maintsy mandray hatrany ny fahalalana marina tsara ny Tenin’Andriamanitra àry izy ireo, mba hiorina tsara amin’ny finoana.—Sal. 1:2, 3; Kol. 2:6, 7.

4 Ilaina ny fiaretana: Tena mila miaritra ireo vaovao, na inona na inona zava-tsarotra atrehiny, ary misy vokany tsara izany. (Lioka 21:16-19) Rehefa miaritra mantsy izy ireo, dia samy handray soa, na ny tenany na ny hafa. Ho tsapany fa afaka mamaly soa an’ireo miaritra i Jehovah.—Jak. 1:12.

5 Faly ny apostoly Paoly rehefa nandroso tsara ireo rahalahy tany Tesalonika. Nisaotra an’Andriamanitra izy noho ny amin’izy ireo. Nampiany hahita ny fahamarinana mantsy ny maro taminy. (2 Tes. 1:3-5) Ho faly sy ho afa-po koa isika, raha mampiomana an’ireo olona ampianarintsika mba hiatrika fanoherana sy tsy hivadika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2026)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2026 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara