Manana Harena Sarobidy Hozaraina Isika
1 Feno harena ara-panahy ao amin’ny Baiboly, ary sarobidy amintsika izy ireny. (Sal. 12:6; 119:11, 14) Nilaza fanoharana i Jesosy, indray mandeha, mba hanasongadinana ireo lafiny mampiavaka an’ilay Fanjakana. Hoy izy, avy eo, tamin’ny mpianany: “Azonareo ve ny hevitr’izany rehetra izany?” Namaly izy ireo hoe eny, ka hoy i Jesosy: “Raha izany àry no izy, dia izao: Ny mpampianatra ampahibemaso rehetra izay nampianarina momba ny fanjakan’ny lanitra, dia tahaka ny tompon-trano izay mamoaka zavatra vaovao sy tranainy avy ao amin’ny trano fitehirizany.”—Matio 13:1-52.
2 Azo lazaina hoe harena tranainy ireo fahamarinana nianarantsika, tamintsika vao nianatra Baiboly. Arakaraka ny nianarantsika samirery an’ireo zava-dalina ao amin’ny Tenin’Andriamanitra anefa, dia lasa nahatakatra bebe kokoa ny fahamarinana isika. Toy ny hoe nahita harena vaovao àry isika. (1 Kor. 2:7) Mahazo harena vaovao avy amin’ny “mpanompo mendri-pitokisana sy malina” koa isika, rehefa omeny fanazavana vaovao.—Matio 24:45.
3 Tena sarobidy amintsika ireny harena ara-panahy ireny, na tranainy izy ireny na vaovao. Izany no mahatonga antsika hanaiky hampiofanina, mba hahaizantsika hampianatra ny Tenin’Andriamanitra. Te hizara amin’ny hafa an’ireo fahamarinana sarobidy nianarantsika mantsy isika.
4 Inona no modely nomen’i Jesosy? Sarobidy taminy ny harena ara-panahy, ka niezaka mafy izy nizara izany tamin’ny hafa, na dia efa reraka aza.—Jaona 4:6-14.
5 Nandrisika an’i Jesosy hizara ny fahamarinana manome fiainana tamin’ireo mahantra ara-panahy ny fitiavany azy ireo. (Sal. 72:13) Nangoraka an’ireo nangetaheta ny fahamarinana izy, ka “nampianatra azy [ireo] zavatra maro.”—Marka 6:34.
6 Tahafo i Jesosy: Sarobidy amintsika koa ve ny harena ara-panahy ananantsika? Tena irintsika àry ny hampahafantatra azy ireny amin’ny olona, ka hampiseho an’izany mivantana avy ao amin’ny Baiboly. (Ohab. 2:1-5) Mety ho reraka isika indraindray, nefa ho be zotom-po foana ka hizara ny fahamarinana amin’ny hafa. (Matio 12:34) Handray anjara betsaka araka izay azo atao amin’ny fanompoana isika, satria mankasitraka lalina ny harena ara-panahy ananantsika.